• Hifarana tsy ho ela ny dimy taona, fe-potoam-piasan'ireo Loholona. Efa miomana amin'ny mety hisian'ny fahabangan-toerana eo anivon'ity andrim-panjakana ity ireo Loholona... • Nisy tamin'ireo mpiadina bakalorea, tokony hiatrika ny adina ara-panatanjahan-tena teny Ankatso, no tratran'ilay fanapoizinana ara-tsakafo teny Ambohimalaza. Tsy maintsy handraisana fepetra izy ireo... • Sabotsy fahatelo amin'ny atrikasa izay tafiditra ao anatin'ny iray volana anandratana ny teny malagasy, karakarain'ny Havatsa UPEM, ny rahampitso. Hanjariliva no hiatrika ny atrikasa...
Mbola ao anatin’ny fankalazana ny taon-jôbily 2025 isika ka maro dia maro ny hetsika rodobe homanin’ny sehatra nationaly, diosezy, distrika, fikambanana, vaomieran’asa. Maka lesona mankany amin’ny ho avy tsara kokoa foana isika ary ny tanjona dia tsy dia hisy loatra ny olana, ny loza ary tafaverina soa ama-tsara tsy marofy avokoa ny mpivahiny rehetra. Ifandrimbonan’ny rehetra ny fiomanana sy ny fandraisana an-tanana. Na sehatra inona na sehatra inona dia tsara foana mifanakalo hevitra amin’ny tompon’andraikitry ny fahasalamana amin’ny diosezy misy anao na distrika na paroasy... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
• Tsy ho afa-bela izay nanapoizina ny sakafo nitera-doza teny amin'ny sampanana Imerikasinina Ambohimalaza. Misy mpisompatra koa ao amin'ny JIRAMA, hoy ny Filoha Andry Rajoelina... • Mametra-panontaniana sy miahiahy amin'ny fisian'ny disadisa eo amin'ny Ben'ny Tananan'Antananarivo Renivohitra sy ny mpitondra fanjakana, ny Sendika Mahaleo tena eo anivon'ity Kaominina ity... • Efa mihatra ny karatra fahazoan-dalana elektronika ho an'ny fitrandrahana ny harena an-kibon'ny tany...
20 jona — I Masindahy Silvère no papa faha-58. Teraka tao Frosinone tao Campanie i Silvère, zanak'i Hormisdas. Voafidy ho papa ny 01 jona 536 izy, ary napetraka teo amin'ny Fiketrahana Masina ny 08 jona 536. Nanao ny andraikitra naha papa hatramin'ny 11 nôvambra 537 i Silvère. 19 ireo eveka nohamasininy nandritra izany naha papa azy izany, 13 ny pretra ary 5 ny diakra nametrahany tanana.
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco