♦ Manaitra ny filohan'ny Fanavaozana ka nandefa taratasy faharoa any aminy ny vondrona firaisamonim-pirenena OSCEC. Tandindomin-doza ny firenena manoloana ny fahapotehan'ny tontolo iainana sy ny harena voajanahary, hoy izy ireo... ♦ Samy efa mihetsiketsika avokoa ireo antoko pôlitika samihafa miatrika ny raharaham-pirenena, eo ny momba ny fifidianana, ny fikaonandoham-pirenena... ♦ Mbola miaina fahatapahan-jiro lavareny foana ny mpampiasa herinaratry ny JIRAMA eto Antananarivo. Tsy tomombana ny milina famokarana, na ny mandeha solika, na ny azo avy amin'ny fikorianan'ny rano...

Manampy ny olona hankalaza ny litorjia sy ny Sakramenta ny fahalalana ny katesizin'ny Fiangonana Katôlika. Satria mahalala ireo tenim-pinoana ilay olona dia mahafantatra izay ankalazaina ao amin'ny litorjia ka sady tsy hiteniteny foana no tsy hanaotao foana. Mahay mankalaza Sakramenta, ohatra ny hoe ny Mariazy dia sakramenta ifanoloran'ny mpivady... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny maha-olona ", iarahana amin'i Mgr Mamiarisoa Modeste.

♦ Efa hita miomankomana amin'ny ho tohin'ny raharaham-pirenena indrindra ny fiatrehana ny fifidianana ny ankamaroan'ireo antoko pôlitika... ♦ Olana mbola mitoetra eny amin'ny fiaraha-monina ny tsy fampiharana ny didim-pitsarana raikitra. Tandindomin-doza koa ny firenena manoloana ny tsy fahampiharana ny lalàna momba ny tontolo iainana sy ny harena voajanahary eto Madagasikara... ♦ Misy ny fampitandremana noho ny alondrano araka ny fampitam-baovao avy amin'ny météo Malagasy... ♦ Namoaka fanambarana i Rosia androany fa hakatona ny consulat allemand any Saint-Pétersbourg...

♦ Nahazo PDS vaovao ny tanàna an'i Toliara rehefa tsy nisy Ben'ny Tanàna nitantana intsony, tato anatin'ny volana vitsivitsy... ♦ Mbola hitohy amin'izao fiandohan'ny herinandro izao ilay dinika fakàn-kevitra hanomànana ny fifidianana eny Iavoloha. Hitondra ny heviny indray ireo ray aman-dreny ara-drazana sy ireo filoham-pirenena teo aloha... ♦ Tena nisy ilay marary maty tampoka teo am-pandidiana azy tao amin'ny Hôpitaliben'i Manakara noho ny fahatapahan'ny herinaratra... ♦ Trano lehibe iray nisy rihana maromaro indray no nirodana tany New Delhi, renivohitr'i Inde, omaly. Olona maro no voatsindrin'ny korontana...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...