Ampifandrindra ny fiainana Kristiana, araka ny vanim-potoana mba tsy hanafitohina, fandraisana anjaran'ny Kristiana izany hoe : tsy fanovana fotsiny ny fombafomba fa fanorenana ny ara-panahy sy ara-batana mifototra amin'ny fiainam-pinoana Kristiana. Tanjona ny hanandratra sy hampiroborobo ny fiainam-panahy kristiana amin'ny mpino rehetra...Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

• Nahitana lesoka ny sehatry ny fanabeazana, indrindra ny mahakasika ny fanadinam-panjakana tamin'ny taon-dasa. Nifantoka tamin'izay indrindra ny hafatry ny Eveka eto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ho an'ity taom-pianarana vaovao 2025-2026 ity... • Raha tsy misy fiovana dia tokony ho tafajoro amin'ny alahady izao fara fahatarany ny Governemanta, tarihin'ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo... • Hiroso amin'ny fanakatonana ireo masoivoho samihafa eto Antananarivo, manomboka amin'ny alatsinainy izao, ireo mpiasan'ny orinasa JIRAMA, araka ny toromarika nomen'ny mpitarika ny sendikan'ny mpiasa...

• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...

Aina hoan’ny zavamananan’aina, tsy ankanavaka rehetra ny rano, raha olombelona koa tsy afa-miala aminy. Misedra olana momba ny rano nefa isika ankehitriny, na an-tanandehibe na ambanivohitra. Nivoaka tamin’ny fahanginana ny firaisamonim-pirenena misehatra amin’ny rano, ny fidiovana ary ny fanadiovana na ny OSCEAH manoaloana ny toe-java-misy eto amin’ny firenena...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...