♦ Mametraka ny fototry ny tondro-zotra hiarovana ireo mpisintona lakolosy sy vavolombelona mitoroka ny kolikoly miaraka amin'ireo firenena aty amin'ny ranomasimbe indiana i Madagasikara... ♦ Anatin'ny famoriana ireo sampandraharaha voakasika rehetra amin'ny fiomanana amin'ny fiatrehana ny El-Nino sy ny taom-pahavaratra 2026-2027 ankehitriny ny eo anivon'ny BNGRC... ♦ Olona miisa 18 saika hiondrana an-tsambo antsokosoko no tra-tehaky ny miaramila tantsambon'ny détachement Naval tao Nosy Be Hell Ville... ♦ Nanapa-kevitra ny hanitatra ny toerana misy ny fitehirizana ireo antotan-kevitra sy famakiamboky ao Vatican ny Papa Léon-XIV...
Ny herisetra ao an-tsekoly dia matetika mitranga, maro anefa ireo tsy mahalala ireo voasokajy ho herisetra. Ny herisetra dia tranga misy avy ety ivelany miantefa amin'ny olona iray ka mitondra fijaliana sy fanaintainana, ao anaty indrindra indrindra. Ny herisetra araka izany dia misy karazany maro : ara-batana, ara-moraly. Mety hiteraka ratra anaty sy ao am-po, mampihorohoro ny saina. Tsy mahakasika irery ny mpianatra ny herisetra ao an-tsekoly fa mahakasika ireo voaresaka manodidina ny telozoram-panabeazana... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
♦ Tsy mihemotra amin'ny fanapahan-keviny ny amin'ny famindràna ny toby fiantsonana ho eny Amoronankona ny fitondram-panjakàna, manomboka anio ny fiaingana sy ny fahatongavan'ny mpandeha eny an-toerana... ♦ Tombony ho an'i Madagasikara ny fananana ny tahirim-bolam-pirenena fiatrehana ny loza voajanahary, firenena afrikana miisa 4 no tonga maka traik'efa momba ny fitantanana ny loza eto Madagasikara... ♦ Hiatra avy hatrany amin'ity taom-pianarana vaovao 2026-2027 ity ny fanovàna ho an'ny fanadinam-panjakàna BEPC, izay tsy hisian'ny sokajy A sy B hisafidianana intsony, fa tsy maintsy iadinana ny taranja anglisy...
• Nisy androany ireo nanatanteraka hetsika nanoherana ny fialany eny amin'ny Fasan'ny Karana. Tsy hilefitra anefa ny fanjakana, hoy ny Minisitry ny Fitaterana... • Nesorina tsy ho Ben'ny Tanana ao amin'ny Kaominina Ambanivohitra Ambatoboeny, ny Ben'ny Tanana am-perinasa. Antsojay politika no andikan'ity Ben'ny Tanana nalana tamin'ny toerany ity, izao raharaha izao... • Hisy fivoana, manomboka amin'ity taom-pianarana vaovao 2026-2027 ity, ny fanadinana BEPC ka foana ny sokajy A sy B...
• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco