Ny fanabeazana fahaizana miaina dia tsara ny hanombohana azy ao amin'ny ankohonana. Ny fampianarana dia voafetra ara-potoana (ora na andro, volana), izay mety tsy hiantraika amin'ny fitondran-tena andrasana, azo lazaina ho maimaika ; fa ny fampitana dia mahakasika ny fo, ny saina, ny vata ary fanahy izay tsy voafaritry ny fotoana. Ny fampitana, izany no tsara himasoana. Ny fahaizana miaina dia faizana mitondra tena, tovozina sy lovaina avy amin'ny ray aman-dreny amin'ny alalan'ireo fitondran-tena mendrika asehon'izy ireo... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.