• Nankalazaina omlay alahady ny Jobily faha-25 naha Eveka sy ny faha-40 taona naha Pretra an'i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz, Evekan'i Mahajanga... • Hanatanteraka fampiofanana ho an'ireo handimby toerana ny Birao Nasionaly, ny avy eo anivon'ny MDMK/CVX, amin'ity volana septambra ity... • Relijiozy Seleziana Don Bosco miisa 15 no manaraka fiofanana any Roma, hanao misionera...
♦ Namoaka fanambarana manoloana ny fanavaozana ny fandaharam-pibeazana, tian'ny fitondrana fanavaozana ampiharina ankehitriny, ny fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... ♦ Antoka iray tsy hiverimberenan'ny fivadibadihana palitao sy ny krisy eto amin'ny Firenena Malagasy, ny fanolorana kandidà avy amin'ny antoko politika amin'ny fifidianana ho avy, hoy ny antoko HVM... ♦ Mampanantena indray ny JIRAMA fa hisy fihenany manomboka anio hariva ny faharetan'ny fahatapahan-jiro mifandimby eto Antananarivo... ♦ Hiatrika fifidianana filoham-pirenena amin'ny volana janoary 2027 i Nigeria ka miisa 18 ny kandidà amin'izany...
♦ Niverina ho ady hevitra lehibe eto amin'ny firenena ny zotra-pifidianana tany amin'ny taona 2023, taorian'ny fitoriana ny filoha teo aloha Andry Rajoelina, nataon'ny DLC eny anivon'ny Primatiora... ♦ Nisy indray ny fahatratrarana bolongam-bolamena tetsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato. Nanao bemidina nijery izany ireo tompon'andraiki-panjakàna notarihan'ny Filohan'ny Fanavaozana, omaly... ♦ Hihatra manomboka amin'ity alatsinainy ity ny fandaminana vaovao momba ny fifamoivoizana amin'ireo lalana manodidina an'i Mahamasina...
Masindahy Piera claviaire, Olomasina nanana ny fitiavam-bavaka manokana teo amin'ny fiainany ; nitolo-tena ary nanao voady amin'ny maha Zezoita azy, mba ho andevon'ireo andevo rehetra, izy no mpiaro ny "Continent Africain". Jacques Désiré Laval, Olontsambatra, hajaina manokana aty amin'ny Ranomasimbe Indiana, nanampy ny olona tao amin'ny nosy Maurice. Ny fiavaozana sy ny fanavaozana dia mifahatra amin'ireto teny ireto : Fiombonana - Firaisan-kina - Fihavanana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco