Ny maha Diakra dia ambaratonga zandriny indrindra amin'ny fandraharahana ao amin'ny Eglizy. Araka ny voasoritra ao amin'ny boky mitantara ny Asan'ny Apôstôly, ireo Apôstôly dia nanokana ny Diakra hanao ny raharaha fanompoana ao amin'ny Eglizy ary mazava tsara ny andraikitr'izy ireto tamin'izany dia ny fanompoana eo amin'ny litorjia, fizarana ny fanampiana ho an'ny mahantra... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Ny diabeta dia tsy aretina fa toe-batana, izay tsy afaka mampiasa ara-boajanahary ny siramamy ao amin'ny rany sy ny vatany. Ny fatran'ny siramamy mihoatra ny 1,26g/l anatin'ny olona iray no mamaritra hoe anatin'ireo "Diabetique" ny olona iray. Ny fitilina ihany no tena azo antoka hamatarana ny diabeta. Ny sarak'aty no mamokatra ny insuline manampy ny vatana hanodina ny siramamy... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Ny volana jona dia iray volan'ny "Teny Malagasy", misy ireo hetsika fiarovana izany, isan'ireny ny Edition Ambozontany, nanao ezaka ho fiarovana ny teny sy ny fomba Malagasy nandritdra ny 70 taona. Taloha 18 taona ny tanora dia efa matotra, ankehitriny anefa dia sokajiana mbola ao anatin'ny vanim-potoan'ny fialantsakana ny tanora. Azo heverina ho vokatry ny fanabeazana tsy mifandanja izany : ara-batana, saina, fanahy. Mitotongana hatrany ny fari-pahaizan'ny ankizy sy ny tanora malagasy, mila fandraisan'andraikitra avy amin'ny tsirairay... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
22 jona — Teraka tamin’ny taona 353 tao Bordeaux i Masindahy Paulin, Meropius Pontius Paulinus no tena anarany, zanak’olona manam-boninahitra sy mpanefoefo izy, nanana tany maro tany Italie, Aquitaine sy Espagne izy ireo. Poeta iray antsoina hoe Ausone fanta-daza tamin’izany fotoana izany no nampianatra an’i Paulin ary dia lasa mpandaha-teny sy mpanoratra tena nikoizana koa izy.
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco