Amin'ny zanak'olombelona dia tsy misy ny fahombiazana raha tsy miasa, anefa ny fialan-tsasatra ihany koa dia mety mitondra fahombiazana. Ny atao hoe "fialan-tsasatra" dia matetika ho an'ny mpianatra anefa fiatoana kely aorian'ny asa natao na hetsika vita, fanaovana zavatra vaovao; ny fahombiazana dia firosoana amin'ny tsara kokoa, indrindra mitondra soa ho an'izay manao ny hetsika. Mitondra fahombiazana ny fialan-tsasatra raha toa ka niainga tamin'ny faharesen-dahatra, ka nahazo fahalalana vaovao, raha nampisongadina ny soatoavina sy ny fomba amam-panao taloha... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

Ny meningite dia fivontosan'ny meninge, dia ireo fonon-koditra manarona ny atidoha sy ny tsokan-damosina. Matetika dia viriosy na bakteria no mahatonga azy io. Anisan'ny soritr'aretina mahazatra ny tazo, ny fanaintainan'ny loha mafy, ny hamafin'ny hatoka, ary ny fahatsapana tsy mahazaka hazavana. Ny aretina meningite dia azo tsaboina ary indrindra azo sorohina. Ny viriosin'ny kitrotro dia mety hiakatra ka hiteraka ny meningite, torak'izany koa ny donika sy ny kantsetsitra... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Manao hetsika hanentanana ny vehivavy hiatrika ny fiatraikan’ny fiovan’ny toetr’andro ny ao amin’ny Fikambanan’ny Vehivavy hoan’ny kolotsaina sy ny fampandrosoana na ny AFCD. Fikambanana nijoro tany amin’ny taona 2016 saingy nohavaozina ny taona 2024. Nizara fahalalana hoan’ny mpanao gazety misehatra amin’ny tontolo iainana momba ny anjara andraikitry ny vehivavy manoloana ny amehana ara-toetr’andro eran-tany androany ny Fikambanan’ny Vehivavy hoan’ny kolotsaina sy ny fampandrosoana na ny AFCD. Tamin’ny alalan’ny Atrik’asa fifampizarana no nanehoana izany....

25 jolay no andro iraisam-pirenena hisorohana ny maty an-drano. Araka ny voalazan'ny OMS dia olona 236.000 isa eo ho eo no maty an-drano isan-taona. Anisan'ireo antony 10 lehibe mahatonga ny fahafatesan'ny olona 1 hatramin'ny 21 taona ny tranga maty an-drano. Betsaka ny ambana mety hahafaty an-drano eto Madagasikara: nosy voadidina ranomasina, betsaka toerana lalovan'ny renirano sy misy farihy na koa misy rano miandrona, faritra lalovan'ny rivodoza isan-taona ka mety ho tondra-drano... Fandaharana "Miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Centre Arrupe Madagasikara.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...