Manana ny mampiavaka azy i Madagasikara, isan'izany ny harena voajanahary, an-kibon'ny tany, an-tanety, an-dranomasina, ny ara-kolontsaina. Harem-bakoka ara-kolontsaina tsy azo tsapain-tanana manana ny toerany ny TSAPIKY, hatarafana soatoavina maro : firaisan-kina, fihavanana. Vokatry ny hetsika sy fanehoana fahaiza-manao ary fifanankalozana traik'efa aminà hetsika samihafa dia velona ny fanantenana amin'ny fampandrosoana ny firenena ; andeha hifanentana amin'ny mpandraharaha mba hampiasan'izy ireo vola eto Madagasikara ho tombontsoan'ny Malagasy... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny telo volana fahatelo dia manana ny lanja, afahana mandrefy ny fivoaran'ny mpianatra sy ny asa fanabeazana. Ny fanadinam-panjakàna dia mamaràna ny telo volana fahatelo, noho izany dia singa lehibe mitondra any amin'ny fahafaham-panadinana sy fahazoana marim-pahaizana. Manam-pahaizana : manana fahaizana sy fahalalana amin'ny zavatra na asa iray. ny manampahaizana kosa dia ireo manana fahalalana maro-lafy... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Misy karazany ny hao dia ny hao fotsy sy hao maity ; sokajina ao anatin'ny aretina satria azo avy amin'ny kantsetsitra (maladie parasitaire). Tsy voatery ho olona maloto no misy hao, fa rehefa tsy voatandrina na voasoroka ny fifindràny. Mety hifindra amin'ny fifampikasohana na fampisana ireo fitaovana avy nampiasain'ny hafa izy. 50°C hatramin'ny 55°C eo dia efa mahafaty ny hao raha ; ny toerana mety hisy ny hao amin'ny tenan'ny olona dia @ loha, vatana na akanjo ary ny faritry ny taova-pananahana... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Nisy ny fampidirana karazam-baksiny vaovao tsy mbola nahazatra ny olona teto Madagasikara tato anatin'ny taona vitsivitsy izay : fiarovana ny Covid-19, ny M-Pox ary ny fiarovana amin'ny homamiadan'ny vozon'ny tranon-jaza ; tsy mandà ireny ny EKAR satria zo sy safidin'ny olona tsirairay ny hanao na tsia ireny. Mandrisika ny tompon'andraikitra mba hampitombo ny fampahalalana ny mikasika ireny vaksiny ireny, mba hampisava ny ahiahin'ny vahoaka. Ny filàna fanazavana dia ny tompon'andraikitra ara-pitsaboana sy fahasalamana rehetra no mamaha azy, fa ny safidy dia an'ny tsirairay.... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco