Ny fianarana no lova tsara indrindrina. Fitaizana niainga teo anivon'ny fianakaviana sy ny fanomzan-danja ny tontolo iainana no fomba nanabeazana ny taranaka Malagasy ; ny fahalalana an'Andriamanitra-Andriananahary na ilay nahary no zoki-pahalalana fototry ny fahendrena. Nanampy ny fandalana ny dina sy fady. Tany manan-kasintsara tokoa i Madagasikara. Manimba ny ho avin'i Madagasikara ny fitavam-bola diso tafahoatra, eo koa ny fanompoana andriamanin-kafa, ny havonavona sy ny fireharehana. .... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Alahady 18 oktobra 2026 - Alahady faha-29, mandavantaona "A". Ny Andriamanitsika : Mizana be tsy miangatra ; Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana. Fanontaniana mipetraka eto, anatin'ny vaky teny Masina, dia manontany hoe ahoana no tokony hiainan'ny amin'ny fiainana andavanandro sy manoloana ny Fanjakàna. Tsy manary ny vahoakany Andriamanitra ; Izy no tompon'ny fanapahan-kevitra sy mamaritra ny tantaran'ny olombelona, azy ny fahefana feno...

Ny fahasalaman'ny zaza vaoteraka hatramin'ny faha-5 taona dia ilàna fahalalana fototra : tonga volana ve ilay zaza (37 - 41 herinandro), nitomany mafy ve ilay zaza tamin'ny vao teraka, lanjan-jaza, ary tsara sy tomombana ve ilay zaza, misakafo tsara ve, ny fahadiovan'ny zaza sy ny sakafo. 1 taona ny zaza efa tokony hanomboka haleo tena, eo ihany koa no hanampiana ilay zaza hiteny marina sy mazava ohatra hoe "Tôtô" no hanazaratsika ny zaza anefa tokony hoe "Alika" ; ny fampianarana fahalalam-pomba sy fanalàna azy amin'ny tahotra, avela hilalao sy hifangarao amin'olona. ... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

♦ Nakatona vonjy maika ny Université Antsiranana nanomboka omaly hariva, noho ny savorovoro nisy teo amin'ny samy mpianatra... ♦ Nisesisesy ny lozam-pifamoivoizana namoizana aina, tato anatin'ny 24 ora farany tao Antananarivo-renivohitra sy ny manodidina... ♦ Tsy ho tratra amin'ny taona 2027 ny fahavitan-tena ara-bary ho an'i Madagasikara noho ny antony samihafa ; azo antoka kosa ny hatratrarana izany amin'ny taona 2028, raha ny nambaran'ny Minisitry ny Fambolena sy ny fahaleovan-tena ara-tsakafo... ♦ Niverina nidina an-dalambe ireo mpianatry ny Lycée tany Frantsa, izay mitolona amin'ny fidangan'ny vidim-piainana...

[Miara-dàlana] Zoma 16 ôktôbra 2026

• Namoaka fehin-kevitra momba ny toromarika hiatrehana ireo fanadinam-panjakana, ireo talen-tsekoly katolika eto Madagasikara, nandritra ny fihaonambe tsy ara-potoana natao tao amin'ny Diosezin'Ambositra... • Tontosa ny 13 sy ny 14 ôktôbra 2026 ny fivoriana fanao isan-taona nataon'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Fampanjariana ny Fahamarinana sy ny Fiadanana... • Hotanterahana rahampitso any Turin ny Sorona Masina fanirahana ireo Misionera Salezianina Don Bosco...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...