• Namafisin'Andriamatoa Rakotonarivo Thierry, fa nisy ny anarana sy ny laharana karapanondro niverimberina tamin'ny lisi-pifidianana tamin'ny taona 2018, fony izy mbola Filoha Lefitry ny CENI... • Fandikana ny Lalam-panorenana, hoy ny Depiote mpanohitra, ny nambaran'ny Minisitry ny Fitsarana, ny amin'ny hamoahana didy fampisamborana iraisam-pirenena ny Filoha teo aloha, Andry Rajoelina... • Niaka-dapa teny Anosikely androany, ny mpikambana ao amin'ny Governemanta, namaly ny fanontanian'ny Loholona, nanazava ny tsara ho fantatra momba ny asa tanterahan'ny departemanta iadidiany avy...
♦ Mbola te hametraka foana ny fahefany eto Madagasikara i Lafrantsa hatramin'izao. Resaka tombontsoa no mbola mahatonga ny Frantsay misisika amin'ny raharahan'i Madagasikara hoy ny mpanao pôlitika iray... ♦ Natao fizahàm-pahasalamana ara-tsaina Andriamatoa Mamy Ravatomanga androany maraina, mialohan'ny hampidirana am-ponja azy indray... ♦ Mpiasa iray eo anivon'ny JIRAMA no tratra nanodinkodina ny volan'ny orinasa, taorian'ny fitsirihana natao. Voasazy hiasa an-tery vozona mandritra ny 5 taona, miampy fandoavana lamandy 40 tapitrisa ariary io mpiasa io... * Miha mahery vaika hatrany ny ady an-trano any Soudan, ankehitriny...
Jamoka no anarana niantsoana ny omby taloha ; ireo razamben'ny Malagasy "Vazimba" dia efa nihinana io biby io. ireo Aôstrôneziana tonga teto Madagasikara no tsy nihinana "omby", fa taty aoriana ny Malais dia nihinana tsikelikely?. Ny omby manga dia tsy misy ronono no sady tsy misy trafo. HELA - HENINA dia midika hoe "hena" amin'ny teny Aôstrôneziana. Ny HENA dia ilazana ny omby maty, ialàn'ny tongony sy ny rambony ary ny lohany. Omby vavy mainty na mena fa misy faritra fotsy @ lohany sy ny tongony aman-tanany miampy ny rambony no atao hoe omby volavita...
♦ Hampidirina am-ponja indray Andriamatoa Mamy Ravatomanga amin'ilay raharaha hanenjehin'ny fitsaràna azy atsy amin'ny Nosy Maorisy. Nivoaka omaly tolak'andro ny didim-pitsarana manapaka izany... ♦ Hidina ny saran'ny Internet eto Madagasikara amin'ity herinandro ity, araka ny fampahafantarana nataon'ny Ministeran'ny fifandraisan-davitra omaly. Nisy ny fifanarahana hita tamin'ireo orinasam-pifandraisan-davitra... ♦ Miakatra ny taha-pisian'ny tsimok'aretina VIH/Sida eto Madagasikara. Olona maherin'ny 50.000 no mitondra tsimok'aretina nefa tsy voatily, ary mamindra amin'ny hafa...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco