Ny mpandray anjara manokana amin'ny fombafomba (mpamaky, mpihira, mpanotrona...) dia tokony hiofana tsara ara-panahy sy ara-litorjika. Samy manana andraikitra : tsy hanasongadinan-tena fa hanasoavana ny vahoaka ny fandraisana anjara amin'ny Litorjia, fanompoana tsy mitaky valiny. Tokony ho feno amim-pahalalana ary mavitrika ny fandraisan'ny vahoaka anjara... Katesizy momba ny fanavaozana ny Litorjia, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

♦ Mila fotoana lavalava ny fanovàna tian-kapetraka eto amin'ny firenena ka vao miainga amin'ny fototra isika izao hoy ny antoko Vahoaka Miray, manoloana ny tsikera mahazo ny fitondrana... ♦ Mijoro amin'ny heviny amin'ny fampihenana ny saran'ny INTERNET ny fitondram-panjakàna ho tombontsoaan'ny vahoaka mivantana. Tolotra tsy azo heverina ho fihenam-bidy maharitra ny avy amin'ny mpandraharaha araka ny fanambarana iombonana nataon'ireo ministera miisa telo misahana izany... ♦ Manana vala tahaka ahafahan'ny tantsaha mitaratra ny fahombiazan'ny teknika PFUMVUDZA, avokoa ankehitriny ny Faritany miisa 6 eto Madagasikara...

Vavolombelon'ny fifankatiavana eo amin'ny mpivady ny tokantrano maharitra an-taonany maro ; andry telo hiorenan'ny tokantrano ny fifampitokisana, ny fahamarinana ary ny fitiavana. Ho fanavaozana ny rafitra misy ankehitriny : ilaina ny finiavana hifanatona sy hifampihaino. Ny fanovana toe-tsaina miainga amin'ny tsirairay no fototry ny fanovana, ilaina ny fanaingana ny fanavaozana avy any ifotony amin'ny alalan'ny fakan-kevitra any amin'ny Fokontany sy ny isam-pikambanana na vondrona maro lafy. Hatafitàna amin'ny tanjona iray dia tsara raha atao mazava ny ... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Miatrika ny fikaonandoham-pirenena momba ny fanabeazana etsy amin'ny CCI Ivato ny mpisehatra amin'ny izany. Ministera telo misahana ny fanabeazana sy ny fampianarana no manatontosa miaraka amiin'ny CONAMEPT... ♦ Miomana sahady amin'ny fiatrehana ny fetin'ny krismasy sy ny faran'ny taona amin'ny fandrindrana ny fifamoivoizana ny pôlisim-pirenena sy ny pôlisy monisipaly ao Antananarivo-renivohitra. Notanterahana omaly ny fivoriana nanomanana izany... ♦ Tokony hampiharina ny fifanarahana iombonana voalazan'ny lalàna mifehy ny asa momba ny fanondrotana ny karaman'ny mpiasa amin'ny sehatra tsy miankina hoy ny Ranndrana Sendikaly...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...