Nisafidy hiresaka ny momba ny fahasalamana indray ny arofanina anio voalohan’ny volana desambra, andro eran-tany iadiana amin’ny SIDA. Isan’ny mankalaza izany rahateo isika eto Madagasikara isan-taona. Na dia mbola ambany aza ny tahan’ny olona mitondra ny tsimok’aretina VIH SIDA eto Madagasikara, mila mitandrina isika fa tsy re tsaika, ary misoko mangina toa ny ron-gisa ny fihanaky ny tsimok’aretina. Fanetriben’ny fampandrosoana mantsy ny fielezan’ny tsimok’aretina ao amin’ny firenena iray...

Ny fanavaozana ny Litorjia dia tsy revôlisiôna fa fiverenana amin'i Kristy izay miasa amin'ny mistery, amin'ny vahoakan'Andriamanitra izay mandray anjara, amin'ny kolontsaina sy fiteny izay manampy amin'ny fanehoana ny finoana. Izay rehetra tanteraka taorian'ny Kônsily - toy ny lamesa amin'ny fiteny eo an-toerana, vahoaka mihira sy mamaky, fanovana ny teiandro litorjika... Katesizy momba ny fanavaozana ny Litorjia, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

Ny didin'Andriamanitra voalaza amin'ny didy faha-valo dia ny lainga araka izay voalaza hoe " Aza miampanga lainga, aza mandainga", izany hoe ny fandraràna ny miampanga lainga, ny mifosa, ny manendrikendrika, mitory olona tsy amin'ny rariny, mijoro ho vavolombelona tsy marina. Isan'ireo didy maro mpanitsakitsaka izy ity ; ny lainga dia heverin'ny maro ho maivana miohatra amin'ny halatra... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Tokony ho fohy sy mazava ary tsotra ny fombafomba anefa manankery ara-panahy. Tokony handray toerana lehibe ny Tenin'Andriamanitra amin'ny Litorjia. Ny Latina no fiteny fototra amin'ny Litorjia latina, saingy avela ampiasaina malalaka ny fitenin-drazana (langue vernaculaire) amin'ny ampahany sasany, amin'ny faneken'ny Eveka sy ny fiombonana amin'ny Ray Masina... Katesizy momba ny fanavaozana ny Litorjia, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...