Isany olana goavana sedrain’ny tantsaha eto Madagasikara ny tsy fahitana ny lalambarotra amin’ny vokatr’izy ireo. Sehatra nampifandraisana ny tantsaha mpamokatra sy ny orinasa mpanodina ny vokatra, ary nikatsahana lalambarotra vaovao hoan’ny mpamokatra ny tsenabe iraisampirenena momba ny Fambolena na FIA andiany faha valo, nampiarahina tamin’ny festivala iraisampirenena momba ny sakafo andiany faharoa...

♦ Efa vonona amin'ny seho an-tsehatra holalaovina eny amin'ny CC ESCA Antanimena, rahampitso tolakandro ny ekipan'ny Radio Don Bosco... ♦ Nilaza hikarakara hetsika manokana hahatsiarovana ny tolona 2025 ireo mpianatra avy eny Ankatso sy Vontovorona. Izy ireo izay nanamafy fa mpandray anjara fototra tamin'izany tolona izany... ♦ Efa manomboka miditra amin'ny ady sy ny fampihenana ny fako plastiques i Madagasikara... ♦ Tsy araka ny fandaharam-potoana noheverin'ny ao amin'ny Lapan'i Elysée hotanterahana, ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon-XIV, mandritry ny fitsidihana Apôstôlika ataony any Frantsa...

Ny sosona ôzônina dia manana anjara lehibe amin’ny fiarovana ny tany amin’ireo taratra ultraviolet (UV) mampidi-doza avy amin’ny Masoandro. Ny fahasimban’io sosona io dia mety hampitombo ny fiparitahan’ireo taratra ireo sy hisy fiantraikany amin’ny fahasalaman’ny olombelona. Noho izany, ilaina ny fahafantarana ireo loza mety hateraky ny fahasimban’io singa io sy ny fandraisana fepetra tsotra mba hiarovana ny fahasalaman’ny tsirairay sy ny fianakaviana. Mifototra indrindra amin’izany ity fandaharana ity...

♦ Hisy anio ny hetsika hataon'ny "Tsy manaiky lembenana" eny amin'ny lapan'ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina. Tsiahin'ny tolona 2025... ♦ Niteraka resabe ary tsy nijanona teo amin'ireo mpitia baolina kitra ihany ny anarana iray amin'ireo mpilalao 25 mirahalahy handrafitra ny Barean'i Madagasikara... ♦ Misy valan'aretina tsy mbola fantatra anarana izay mamely ny olona ao amin'ny Kaominina telo anatin'ny Distrikan'i Ifanadiana, ankehitriny... ♦ Sahiran-tsaina amin'ny fahitàna fatim-behivavy misesisesy izay novonoina tamin'ny fomba feno habibiana ny ao Afrika-Atsimo...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...