• Ny handrafetana ny drafi-panabeazana vaovao, ho an'ny taona 2026-2030, no isan'ny tanjona amin'ilay fikaonan-doha momba ny fanabeazana tontosaina etsy amin'ny CCI Ivato, nanomboka androany... • Vita ny fanamboarana ny milina G1, izay manome tanjaka 5 Megawatts, ao amin'ny toby famokarana herinaratry ny JIRAMA Ambohimanambola... • Nitsirika ny Kianjan'i Mahamasina ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena, sy ireo mpanara-maso avy amin'ny CAF. Fitsirihana ny amin'ny mety hahazoana, na tsia, fankatoavana ny kianja no natao...

♦ Mbola nametraka fepetra mialoha ny hampidinany ny vidin'ny internet ny vondron'ny mpandraharaha amin'ny fifandraisan-davitra eto Madagasikara (GTM)... ♦ Ankoatra ireo antoko sy vovonana politika, efa misy koa ireo ray aman-dreny to-teny efa miomana amin'ny fikaonandoham-pirenena... ♦ Manao atrikasa hijerena vahaolana miaraka manoloana ny loza sy tandindon-doza ireo firenena aty Afrika-Andrefana... ♦ Nanomboka mamita ny saziny, 27 taona an-tranomaizina, nanomboka omaly, ny filoha Bresilien teo aloha Jair Bolsonaro...

♦ Hodinihina eny anivon'ny Antenimieran-doholona eny Anosikely indray ny teti-bolam-panjakàna ho an'ny taona 2026, taorian'ny nankatoavan'ireo Solombavambahoaka izany omaly teny Tsimbazaza... ♦ Miparitaka ary saika feno ny ankamaroan'ireo toerana fanariana fako ao Antananarivo renivohitra ao. Anton'izany fitokonana nataon'ireo mpiasa eo anivon'ny SMA... ♦ Tanora mpitady asa no voasoloky sy very vola hatrany amin'ny 12 tapitrisa Ariary... ♦ Niavaka ny fanamarihana ny faha-150 taona nisian'ny iraka voalohany nataon'ny salezianina any Patagonie...

Asan'ny Eglizy iray manontolo ny Litorjia, izany hoe asa iombonana ataon'ny Kristy sy ny Eglizy fa tsy fombafomba ataon'ny pretra irery. Ny fandraisana anjara amin'ny lamesa dia asa fiombonan'ny vahoakan'Andriamanitra, midika fa tsy mpijery na mpihaino fotsiny fa mpandray anjara amin'ny mistery. Ny fiangonana dia iray tsy mivaky izay manambara an'i Kristy... Katesizy momba ny fanavaozana ny Litorjia, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...