Tsy mbola miverina amin’ny teo aloha ny vidin’ny vary akotry akan’ny mpanagom-bokatra azy eny anivon’ny tantsaha ka anaovan’izy ireo antso amin’ny fanjakàna ny hijerena vahaolana amin’ny fahasairan’izy ireo. Tsy mbola niakatra araka ny niheverena aza mantsy ny vidim-bary na teo aza ny fampiharana fepetra isan-karazany. Isan’izany ny fividianan’ny orinasam-panjakana SPM ny tahirim-bary tany amin’ny tantsaha saingy tsy afa-po amin’ny vidim-bary ireo tantsaha mpamokatra...
Matetika eo amin'ny fiaraha-monina dia iniana tsy hita ireo fahasamihafana ara-tsaina eo amin'ny olona. Raha mbola kely ny zaza ka tsikaritra ireny fahasamihafana ireny dia azo atao tsara ny manampy azy ka hahatonga azy ho afaka hiara-miaina amin'ny olon-drehetra. Matetika ireny zaza hafakely ireny no lasa henatra ho an'ny fianakaviana na ahiliky ny fiaraha-monina. Fandaharana "Miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Centre Arrupe Madagasikara.
♦ Niakatra ho 300.000Ariary ny karama farany ambany eto Madagasikara. Mbola hisy fiakarana izany amin'ny volana oktobra, araka ny fampahafantarana avy amin'ny Ministeran'ny asa, androany... ♦ Tsy eken'ny Randrana Sendikaly ny fiakaran'ny karama farany ambany, izay ambaran'izy ireo fa soso-kevitry ny mpampiasa. Nanao diabe nihazo an'i Mahazoarivo izy ireo, androany... ♦ Tratran'ny Filohan'ny Fanavaozana ireo fiarabe mpanototra tany amin'ny alina eny amin'ny By-Pass. Tsy afa-bela ny tompon'ireo fiarabe 13 mpitaona tany ireo, noraisina ny fepetra...
♦ Mbola mila hamafisina ny fiaraha-miasan'ny Fanjakàna sy ny Firaisamonim-pirenena hiarovana ny zon'ny ankizy eto Madagasikara. Isan'ny ezaka efa vita amin'ny fiarovana ny ankizy ny fisian'ny lalàna vaovao, izay efa lany teny amin'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Miantso ny Malagasy hanamafy ny sakana ara-pahasalamana hisorohana ny fiparitahan'ny MPox ny eo anivon'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka... ♦ Napetraka ny haba 20% ho an'ny fanafarana vary ho famporisihana ny mpandraharaha hanangona ny voka-bary eto an-toerana sy handrisihana ny famokarana anatiny hoy Andriamatoa Ranarivelo Lucien, député an'i Tsiroanomandidy...
• Nodimandry androany teo amin'ny faha-98 taonany, i Mgr Raymond Razakarivony, Eveka emeritan'ny Diosezin'i Miarinarivo... • Manoloana izao zava-misy eto Madagasikara izao, dia ny fahaverezan'olona sy ny fahafatesan'olona, dia misy ny fanambarana sy ny fanentanana ary ny hafatra avy amin'ny Finvondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... • Asehon'i Kristy ny fahalalahan-tananan'Andriamanitra mpamafy ny teny. Navoitran'ny Papa io nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco