♦ Nitrangana vaky fasana tany amin'ny Fokontany Miadamanjaka, Distrika Soavainanriana-Itasy. Tafiditr'ireo mpamaky fasana ny 6 tamin'ireo fasana 7 nandalovany... ♦ Lahadinika etsy amin'ny CCI Ivato indray anio ny firosoana amin'ny fandravonana ireo hevi-dehibe nisongadina tamin'ny Filan-kevitry ny Ministra ao amin'ny SADC... ♦ Nanamafy i Elia Rabevahiny fa mitohy ny tolona na teo aza ny fanamelohan'ny Fitsaràna azy herintaona sazy mihantona... ♦ Miisa 21.000 ireo olona nosambrorin'ny pôlisy iraniana ary nofonjaina tao anatin'ny 12 andro...

Ny "ENY" nambaran'i Masina Maria manoloana ny hafatra nampitondrain'Andriamanitra ny Anjely dia tsy noterena fa hevitra voadinika tsara, ary ohatra ho an'ny olombelona rehetra izany fanekena izany. Raha misy zavatra tsy azo manoloana ny resaka na adidy hifampizarana dia tokony hanontany hatrany fa tsy hanaiky tsy ampy fiheverena sy tsy voadinika tsara... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

• Nanomboka andraony 12 aogositra ny fivorian'ireo Minisitry ny Raharaham-bahiny avy amin'ireo firenena mandrafitra ny SADC. Nitarika izany tetsy amin'ny CCI Ivato ny Lehiben'ny Diplomasia Malagasy, Rasata Rafaravavitafika... • Nanolotra fitaovana ahafahana manamafy ny asa fiarovana ny haren-dranomasina eto Madagasikara ny Vaomieran'ny Ranomasimbe Indiana, tamin'ny alalan'ny Sekretera Jeneraliny. Ezaka iraha-manana ny fiarovana ny fari-dranomasina, hoy Andriamatoa Edgard Razafindravahy... • Nankalazaina androany ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Tanora. “Hetsiky ny tanora ho an'ny tanjon'ny fandrosoana lovainjafy”, izay no lohahevitra nvoizina. Isan'ny nanamarika izany i Madagasikara...

♦ Nanomboka androany ny filan-kevitry ny ministra eo anivon'ny SADC, tafiditra anatin'ny fihaonana an-tampony, izay raisin'i Madagasikara... ♦ Mbola tsy nahazo fankatoavana indray ny kianja Barea Mahamasina. Tsy tafiditra anatin'ireo firenena namoahan'ny Kônfederasiôna afrikan'ny baolina kitra "homologation" vaovao omaly i Madagasikara... ♦ Olona 29 tamin'ny volana jolay teo no tratra saika hiondrana antsokosoko atsy Mayotte tany amin'ny Distrika Ambanja sy Nosy-Be. Nisesisesy io tranga io tao anatin'ny telo volana hoy ny Kômandin'ny CIRGN Antsiranana... ♦ Nohalavain'ny filoha Amerikana 90 andro ny fampiatoana ny fampiakarana ny haban-tseranana ho an'i Chine...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...