♦ Nahazo fitaovana momba ny informatique mitentim-bidy 3.230.000.000 Ariary, avy amin'ny maso ivohon'i Japon ny vaomieram-pirenena mahaleontena misahana ny fifidianana (CENI)... ♦ Olana ara-teknika amina milina mpihary herinaratra ao amin'ny TAC1 sy TAC-3, Jirama Ambohimanambola no nahatonga ny fahatapahan-jiro nifandimby naharitra ora maro tato amin'ny tambazotra iraisan'Antananarivo hatramin'ny omaly tolak'andro... ♦ Pôlisy manakaiky ny vahoaka no hasongadina mandritra ilay kermesy fankalazana ny faha-65 taona ny pôlisim-pirenena eny amin'ny tranom-bokim-pirenena Anosy, hitohy hatramin'ny alahady 25 oktobra 2026...
Ny olona dia noforonina araka ny endrik'Andriamanitra ka manana fahafahana mahafantatra sy mitia ny Mpamorona azy. Ao amin'izany no isehoan'ny fanahy : tsy hery tsy fantatra fotsiny izy, fa fototry ny fahalalana, ny safidy, ny feon'ny fieritreretana ary ny fitiavana. Ny olona dia afaka mandray andraikitra amin'ny ataony... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny aina - Fikasan'Andriamanitra ", iarahana amin'i Avotriniaina Nicholson, Teôlôjiana môralista.
• Nahazo fitaovana informatika mitentina 3.230.000.000 Ariary, avy amin'ny Masoivohon'i Japon amin'ny alalan'ny fandaharana RPMD, ny CENI… • Misy fiampangana tsy voaporofo ho an'ny mpiasan'ny fadintseranana sasany, izay manaratsy endrika ny Douane, sy mampihena ny fahatokisan'ny vahoaka azy, raha araka ny nambaran'ny sendikan'ny Inspecteurs an'ny fadintseranana SIDM… • Misy olana ara-teknika ny milina mpihary herinaratra ao amin'ny TAC 1 sy TAC 3, JIRAMA Ambohimanambola. Tsy azo ihodivirana noho izany ny fampiharana ny fahatapahan-jiro mifandimy…
• “Fohazo izay matory”, hoy i Mgr Jean de Dieu Raoelison tamin'ireo ankohonam-panabeazan'ny Sekoly Katolika, tamin'ny fanokafana ofisialy ny taom-panabeazana 2026-2027, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo… • Mankalaza ny faha-200 taona niorenany ny fikambanan'ny Oblats de Marie Immaculée… • Dimampolo taona teto Madagasikara ny Orionistes, nanamarika izany ny Diosezin'Ambanja…
• Hotanterahana ny alahady ho avy izao ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Mariusz Kasperski, notendren'ny Papa Léon XIV, ho Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina… •“Inoy izay vakianao, ampianaro izao inoinao, arahao izay ampianarinao”, io no lohahevitra hifanentanana sy hifampizarana mandritra ny fihaonamben'ny pretra diosezanina, hotanterahana ny 12 hatramin'ny 16 novambra 2026 any amin'ny Diosezin'Antsirabe… • Ny asa no fon'ny toekarena, hoy ny Ray masina, nandritra ny Audience générale, ny alarobia lasa teo…
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco