Ny fianarana no lova tsara indrindrina. Fitaizana niainga teo anivon'ny fianakaviana sy ny fanomzan-danja ny tontolo iainana no fomba nanabeazana ny taranaka Malagasy ; ny fahalalana an'Andriamanitra-Andriananahary na ilay nahary no zoki-pahalalana fototry ny fahendrena. Nanampy ny fandalana ny dina sy fady. Tany manan-kasintsara tokoa i Madagasikara. Manimba ny ho avin'i Madagasikara ny fitavam-bola diso tafahoatra, eo koa ny fanompoana andriamanin-kafa, ny havonavona sy ny fireharehana. .... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Alahady 18 oktobra 2026 - Alahady faha-29, mandavantaona "A". Ny Andriamanitsika : Mizana be tsy miangatra ; Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana. Fanontaniana mipetraka eto, anatin'ny vaky teny Masina, dia manontany hoe ahoana no tokony hiainan'ny amin'ny fiainana andavanandro sy manoloana ny Fanjakàna. Tsy manary ny vahoakany Andriamanitra ; Izy no tompon'ny fanapahan-kevitra sy mamaritra ny tantaran'ny olombelona, azy ny fahefana feno...

Tsy misy afaka hanompo tompo roa, fa ny iray homeny lanja ary ny iray ho ambaniany. Ny 15 aogositra 1571 no nifandaroka ny Silamo sy ny Kristianina, tamin'izany fotoana izany no nanentanan'ny Papa mba hanaovana ny toko sampile hitodiana amin'i Masina Maria vonjy mahatoky, tamin'izany indrindra no nipoahan'ny sambo iray tamin'ireo marobe noentin'ny Silamo nanafika, nanomboka teo dia maro ny Silamo no nanaraka ny finoana Katôlika. Misy fahotana miisa 3 teny tsy tian'Andriamanitra : ny fitiavam-bola, fanompoan-tsampy, ny fihavonavonana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Tsy ny safidin'ny olona tsirairay ihany no misy fiantraikany amin'ny aina, fa misy koa ny kolontsaina, ny rafitra, ny toe-tsaina ary ny fomba fisainan'ny fiaraha-monina, mety hakasika ny azy. Misy ny fomba hananganana kolontsain'ny aina amin'ny alalan'ny fiarovana ny marefo, fiahiana ny fanabeazana, fahasalamana... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny aina - olombelona ", iarahana amin'i Avotriniaina Nicholson, Teôlôjiana môralista.

[Miara-dàlana] Zoma 16 ôktôbra 2026

• Namoaka fehin-kevitra momba ny toromarika hiatrehana ireo fanadinam-panjakana, ireo talen-tsekoly katolika eto Madagasikara, nandritra ny fihaonambe tsy ara-potoana natao tao amin'ny Diosezin'Ambositra... • Tontosa ny 13 sy ny 14 ôktôbra 2026 ny fivoriana fanao isan-taona nataon'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Fampanjariana ny Fahamarinana sy ny Fiadanana... • Hotanterahana rahampitso any Turin ny Sorona Masina fanirahana ireo Misionera Salezianina Don Bosco...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...