Amin'izao taona arivo fahatelo izao dia ilaina ny fampanjakàna ny fiadanana amin'ny fiainana ny fahaiza-mamela, fahaizana mifampihaino ary ny fahaiza-mivavaka sy mifampivavaka. Samy manana ny fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ny tsirairay ka tsy tokony hatao ny fifampitsikerana sy ny fifanakianana fa natao aza ireny mba hifamenoana ; ny lavorary dia tsy misy fa ny miezaka ho lavorary no azo atao... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Alahady 25 janoary 2026, Alahady faha-3 mandavantaona — A — Masoandro be lohataona i Kristy ka tsy mifidy olon-kosoavina ; Nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesoa ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin’ny olona. I Korinty dia toerana nivezivezen'ny olona maro, avy amin'ny fiavina samihafa noho izy nanana seranan-tsambo lehibe, maro ny firehan-kevitra mifamaofaho, na ny samy kristianina azy dia samy manana ny fanazavany ny finoana araka izay takany, ireny anefa no niteraka ny fifampiandaniana ; miantso ny rehetra mba haneho finoana iray...
Vavaka namaranan'ny mpitarika ny vavaka teo aloha ny hoe "Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny fiadanan'ny Tompo" no mampiditra amin'ity fizaram-piadanana ity. Ny fanao aty Madagasikara dia amin'ny alalan'ny fifandraisan-tanana ary misy hira atao mandritra izany sady misy fihetsika ; ny voalaza ao amin'ny boky fanaovana lamesa dia mifandray tanana toy ny mifampiarahaba ary miteny hoe "Fiadanan'i Kristy... Katesizy momba ny litorjia (Ny Masina), iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Tononina izy amin'ny lamesa andavanandro, na amin'ireny lamesa tsotsotra ireny, na amin'ny fanompoam-pivavahana tsy misy lamesa. Misy "formule" fampiasa ao amin'ny boky fanaovana lamesa "Missel" izay ny mpitarika no manomboka azy hoe " Manaraka ny didy nomen'ny Mpamonjy isika, ary nampianarin'Andriamanitra ka sahy manao hoe" dia miaraka manonona ny "Rainay..."... Katesizy momba ny litorjia (Ny Masina), iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco