Alahady manaraka ny Trinite Masina – Taona D : Fankalazàna ny vatana aman-dra masin’i Kristy ; sorom-pihavanana sy sakafo mampiray ny Eokaristia. Izaho no Mofo velona izay nidina avy any an-danitra, hoy ny Tompo, izay mihinana amin’ity Mofo ity dia ho velona mandrakizay. Isaky ny mankalaza ny Eokaristia isika dia mitsaoka ny vantana aman-dran'i Jesoa Kristy, izay faratampony sy ivon'ny fiainan'ny Kristianina ; manambara ihany koa fa tsy Andriamanitra lavitra izy fa Andriamanitra miara-dalàna amin'ny olombelona mino Azy. Ny "procession" dia fanomezam-boninahitra ny Vantana aman-dran'i Kristy...
14 jona — Anarana fanta-daza ao amin’ny Baiboly ny hoe Elisée na Elisea arakaraka ny dikan-teny izay misy eo amintsika raha mamaky ny Bokin’ny Mpanjaka isika. Zanak’i Safata mpaminanin’ny lalàna, mpianatra sady mpandimby an’i Elie mpaminany.
Na inona na inona fivoriana manotrona ny Alitara ka mifanaraka amin'ny fandraharahàna masin'ny Eveka dia fambaran'ilay fitiavana sy firaisan'ny Vatana izay hany azo anantenana famonjena. Ao amin'ny Eokaristia no anisan'ny sehatra hitoriana ny Vaovao Mahafaly, hanangonana ny mpino hankalazana ny Misterin'ny fanasan'ny Tompo, ireo rehetra miombona amin'izany dia atambatry ny vatan'i Jesoa... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Raha mampianatra ny Eveka dia miray mandrakariva amin'ny Papa amin'izany fampianarany izany izy ary mijoro ho vavolombelon'ny fahamarinana sy ny Eglizy. Ny Kristianina dia manaja izay fampianarana avy amin'ny Eglizy, miray saina sy miombon-kevitra. Tsy maintsy raisin'ny Kristianina amin'ny fo sy ny saina miaiky tanteraka ny fampianaran'ny Eveka mitondra azy... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco