Nahazoana vokatra miabo ny fiaraha-miasan’ny Association Voahary Maitso na ny AVM tamin’ireo sekoly ao amin’ny faritra Itasy. Fikambanana miaro ny tontolo iainana, misehatra amin’ny asa fampandrosoana amin’ny alalan’ny fanabeazana ara-tontolo iainana sy ny fantsaràna ny velon-tenan’ny mponina eny ambanivohitra ny AVM. Fiaraha-miasan’ny AVM amin’ny mpiara-miombon’antoka ny tetik’asa antsoina hoe fanabeazana hoan’ny Fiainana na ny Education for life...

• Zava-dehibe tena ilaina amin'ny fanenjehana ireo olona voasaringotra amin'ny kolikoly ny fananana porofo, hoy Andriamatoa Jaona Clément… • Mangataka ny hananganana indray ny CNIDH, ny fikambanana Tsaramanasoa, amin'izao fotoanan'ny fanavaozana izao… • Hiara-hiasa amin'ny Minisiteran'ny Mponina i Mme Margo, amin'ny fiofanana omeny…

Ny fanorenana fiaraha-monina marina sy milamina dia mitaky fanajana ny zon'ny tsirairay, fifampihainoana ary fahaizana mandray ny tsy fitovian-kevitra. Noho izany, ny olom-pirenena tompon'andraikitra dia mahafantatra ny zony sy ny adidiny, manaja ny lalàna ary mandray anjara amin'ny fiainam-piaraha-monina. Na dia tsotra aza ny fihetsika atao isan'andro, dia afaka mitondra fiovana lehibe sy mampandroso ny tombontsoa iombonana. Fandaharana "Fibeazana Miaina sy Mitia", iarahana amin'ny Centre Arrupe Madagascar...

• Nanakoako tao amin'ny fihaonambe an-tampony fahatelo eo amin'i Rosia sy Afrika indray omaly, ny teny malagasy, nandritra ny lahatenin'ny Filohan'ny Fanavaozana… • Namondron-kery ny fikambanana sy antoko politika maromaro ka nanangana ny Vondrona Ampefiloha, ary milaza ny hitondra soso-kevitra amin'ny fikaonandoham-pirenena… • Ho tapaka amin'ny ampahany ny lalana eny amin'ny Tranombokim-pirenena Anosy mihazo ny hopitaly HJRA anio maraina, noho ny diabe fanentanana amin'ny ady amin'ny homamiadan'ny nono…

[Miara-dàlana] Zoma 6 novambra 2026

• Hotanterahana ny alahady ho avy izao ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Mariusz Kasperski, notendren'ny Papa Léon XIV, ho Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina… •“Inoy izay vakianao, ampianaro izao inoinao, arahao izay ampianarinao”, io no lohahevitra hifanentanana sy hifampizarana mandritra ny fihaonamben'ny pretra diosezanina, hotanterahana ny 12 hatramin'ny 16 novambra 2026 any amin'ny Diosezin'Antsirabe… • Ny asa no fon'ny toekarena, hoy ny Ray masina, nandritra ny Audience générale, ny alarobia lasa teo…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...