Nahazoana vokatra miabo ny fiaraha-miasan’ny Association Voahary Maitso na ny AVM tamin’ireo sekoly ao amin’ny faritra Itasy. Fikambanana miaro ny tontolo iainana, misehatra amin’ny asa fampandrosoana amin’ny alalan’ny fanabeazana ara-tontolo iainana sy ny fantsaràna ny velon-tenan’ny mponina eny ambanivohitra ny AVM. Fiaraha-miasan’ny AVM amin’ny mpiara-miombon’antoka ny tetik’asa antsoina hoe fanabeazana hoan’ny Fiainana na ny Education for life...

Tetik’asa ahitana zanak’asa maromaro izyio ka isan’izany ny fiarovana ny tontolo iainana izay ambolena ireo karazan-kazo atahorana ho lany tamingana eto Madagasikara any anivon’ny sekoly.

Asa atao koa ny fametrahana ny tanin-janakazo hoan’ny sekoly sy ny fanatsaràna ny sekoly amin’ny alalan’ny zavamaniry. Akohatr’izay ny asa mahasahana ny mpampianatra, ny mpianatra ary ny ray aman-drenin’ny mpianatra. Isan’izany ny fampianarana mamaky teny sy manoratra ary ny fanohanana azy amin’ny fanatsaràna ny velon-tenany mba ahafahan’izy ireo manana loharanom-bola maharitra ahafahany manohana sy mampianatra ny zanany mba ho lasa lavitra hoy ny filoha nasionalin’ny AVM, RAZAFIARISON Roland.

Apetraka any amin’ny sekoly koa ny tranomboky sy ny fanomezana sakafo hoan’ny mpianatra. Miditra amin’ny andiany faha 6 ny asa tanterakan’ny AVM nandritra ny 11 taona nanatanterahana ny tetik’asa Fanabeazana hoan’ny fiainana araka ny fanazavan’ny filoha nasionalin’ny AVM, RAZAFIARISON Roland momba ny vokatra azo tamin’ny tetik’asa.

[Miara-dàlana] Zoma 30 ôktôbra 2026

• Namoaka fanambarana ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny Fahasalamana, momba ny naoty avy amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamana mahakasika ny ady amin'ny aretina lefakozatra…• Feno 10 taona ny EKAR Notre-Dame de Rose Antanandava any amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina… • Antsoina ho lasa kolontsaina ny finoana hahakasika ny olona tsirairay, io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience Générale ny alarobia lasa teo…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...