Ny fampandrosoana ny Litorjia any amin'ny Diôsezy dia miankina amin'ny Eveka satria izy no mpisorombe. Asan'i Kristy manontolo ny Litorjia ary mandray anjara sy manaraka izany ny rantsana rehetra araka ny laharany avy, noho izany dia tsy azo ampiana araka izay itiavana azy ny Litorjia fa izay efa niainan'i Kristy azy no ezahin'ny Eglizy atao sy hampitaina amin'ny mpino... Katesizy momba ny fampandrosoana ny Litorjia any amin'ny Diôsezy, iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.
• Andrasana amin'ity herinandro ity ny hampidinan'ireo mpandraharaha misehatra amin'ny fifandraisan-davitra ny saran'ny Internet... • Maherin'ny 5 alina ireo olona mitondra ny tsimokaretina VIH/SIDA, nefa tsy voatily, hoy ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Magnana Mounir androany... • Tsy manana olana eo amin'ny asa ny 80 %-n'ireo mpiofana nivoaka avy ao amin'ny sekolim-pirenena ENEAM...
♦ Anatin'ny hetsika 16 andro hiadiana amin'ny herisetra mahazo ny tanora ny tetik'asa HAY ZARA hatramin'ny 10 desambra ho avy izao. Lohahevitra voizina "Ny herisetra ara-nomerika atao amin'ny vehivavy sy ny tovovavy"... ♦ Mitana anjara toerana lehibe amin'ny famaritana sy ny fitanisana ireo zava-misy eo ambonin'ny vohon-tany sy ny fifandraisany amin'ireo antotan-kevitra hafa momba ny mponina sy ny tontolo iainana manodidina ny fananana tahirin-kevitra ara-jeografia. Nisy ny atrikasa nandinihana ny momba izany... ♦ Nosatarina omaly ny fanadiovana faobe ny farihin'Antsimoparihy ao Ambohidratrimo...
♦ Najanon'ny Filankevi-pilaminan'ny Vondrona Afrikana (CPS) ny sazy mampitoka-monina an'i Madagasikara eo anivon'ny Kaontinanta sy iraisam-pirenena. Miantso ny mpikambana ao amin'ny vondrona Afrikanina sy mpiara-miombon'antoka iraisam-pirenena hanohy ny fanohanana an'i Madagasikara isan'izany ny lafiny famatsiam-bola... ♦ Notanterahana ny sabotsy teo ny androm-paritra fanaovana vakisiny faobe ho an'ny alika sy ny saka iadiana amin'ny aretina haromontana ho an'ny Faritra Analamanga... ♦ Mila jerena vahaolana haingana ny resaka famatsiana herinaratra mba tsy ho io indray no fototra hampiongana ny fitondrana hoy ny TMP...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco