Ny fanomezana hasina sy lanja ny tantara, ny tany ary ny teny dia manampy amin'ny fanavaozana satria mba miainga amin'ny zava-misy ny paik'adim-pampandrosoana. Ny fitiavana sy ny tontolony dia tsy afaka misaraka amin'ny olombelona, isika rahateo noharian'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny fitiavana, ary indrindra nataony mitovy endrika aminy. Ny fitiavana dia fanoloran-tena, noho izany dia finiavana tsara hananan'ny tsirairay ny fifanajana sy ny fanajàna ary ny fifampatokisana. Misy endrika efatra ny fitiavana : Fitiavan'Andriamanitra, mpivady, mpianaka ary mpinamana... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny fitohizanaina manomboka amin'ny fotoana fitsaihina ao am-bohoka hatramin'ny vanim-potoanan'ny fahatanorana sy fahanterana dia hisian'ilay hoe "tsy maty ny aina fa mihofo." Tsy safidin'ny olona ny manapaka ny fotoana hiainana ny fitohizanaina satria tsy fahefan'ny olona ny mamono ny aina. Ny vanim-potoana fahatanorana (17 taona hatramin'ny 35 taona), avy nandalo handrakandrana, efa mahita hevitra kokoa hitondrana ny fiainana samy irery na eo aza ny tari-dalana omen'ny ray aman-dreny... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Ny endometriose dia aretina eo amin'ny vehivavy izay miavaka amin'ny fisian'ny sela mitovy amin'ny rindrin'ny tranonjaza (endometrium) ivelan'ny tranonjaza. Ireo sombin-javatra ireo dia mamaly ny hormonina mandritra ny tsingerin'ny fadimbolana, ka miteraka fery, kista ary fanaintainana. Antony : Nolovaina avy amin'ny ray aman-dreny, fiforonana sy fahariana tsy nety tao anatin'ilay vehivavy hatramin'ny fahaterahany, tsy fahampian'ny hery fiarovana, fikorontanan'ny tsirim-panentana, olan'ny firafitry ny tranon-jaza... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Natomboka ofisialy tamin’ny alalan’ny atrikasa teny Anosy ny alakamisy 02 Jolay 2026 ny andiany fahatelo amin’ny fanangoanna ireo tsara ho fantatra mahakasika ny tontolon’ny fambolena na ny RGA3. Miantoka ny 30%n’ny hari-karena faobe ny tontolony ambanivohitra sy ny fambolena eto Madagasikara. Maherin’ny 75%n’ny Malagasy no misahatra sy manao asa fivelomana ny fambolena. Ny taona 2004 no nisy fanisana farany mahakasika ny tontolo ambanivohitra sy ny fambolena teto amitsika raha toaka isaky ny folo taona no tokony hanaovana izany...
• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco