Ny foto-teny ao amin'ny teny "Andraikitra" dia "raikitra" ary ao amin'ny "fitiavana" dia "tia" izany hoe "raikitra ny tia" midika fa raikitra amin'ny tena ny tia. Ankehitriny amin'ny fitenin-jatovo dia tsy dia fiteny loatra ny hoe "olon-tiako, vadiko" fa heno matetika ny hoe "Ankiziko", izany hoe mitaky  andraikitra. Isika rehetra izay niroso tamin'ny fanambadiana dia efa nandray ho andraikitra ny fitiavantsika ny vadintsika... Fandaharana "Miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Centre Arrupe Madagasikara.

Ny hoe "66 taona" dia tokony azo adika ho tena fahaleovan-tena, na eo ary ireo tsindry avy amin'ireo vondrona sy firenena samihafa. Ny teny, ny tantara ary ny tany dia singa fototra hampisongadinana ny tena fahaleovantena ary teboka hiaingana amin'ny fanavaozana marina. Ny teny malagasy dia teny velona sy mivoatra, isan'ireo teny mita sisin-tany ka manana ny lanjany any amin'ny firenena sy ny toeran-kafa toa an'i Comores sy Paris. Mila mifanentana isika Malagasy hanatsara ny toe-tsaina, hifanome hasina, hifankatia, misy hatrany ny fanantenana rehefa miray hina... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo.

Ny atao hoe fivoarana dia ny fandrosoana any amin'ny tsara kokoa. Misy ny fiovana misy eo amin'ny olombelona manomboka eo amin'ny fahaterahana hatramin'ny vanim-potoana fialan-tsakàna : izay miainga amin'ny fiankinandoha amin'ny ray aman-dreny, mivelatra amin'ny ankohonana, tonga amin'ny fakantahaka sy fandraisana rafitra, ary fanabeazana eo amin'ny fiaraha-monina. Manomboka amin'ny fotoana hahaizan'ny zaza miteny no efa maneho ny zavatra tiany sy ny tsia ny zaza ary misy fotoana mihamafy izany amin'ny fotoana fialan-tsakàna, izay voajanahary tanteraka... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

Tsy mbola miverina amin’ny teo aloha ny vidin’ny vary akotry akan’ny mpanagom-bokatra azy eny anivon’ny tantsaha ka anaovan’izy ireo antso amin’ny fanjakàna ny hijerena vahaolana amin’ny fahasairan’izy ireo. Tsy mbola niakatra araka ny niheverena aza mantsy ny vidim-bary na teo aza ny fampiharana fepetra isan-karazany. Isan’izany ny fividianan’ny orinasam-panjakana SPM ny tahirim-bary tany amin’ny tantsaha saingy tsy afa-po amin’ny vidim-bary ireo tantsaha mpamokatra...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 3 aogositra 2026

• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...