Matetika eo amin'ny fiaraha-monina dia iniana tsy hita ireo fahasamihafana ara-tsaina eo amin'ny olona. Raha mbola kely ny zaza ka tsikaritra ireny fahasamihafana ireny dia azo atao tsara ny manampy azy ka hahatonga azy ho afaka hiara-miaina amin'ny olon-drehetra. Matetika ireny zaza hafakely ireny no lasa henatra ho an'ny fianakaviana na ahiliky ny fiaraha-monina. Fandaharana "Miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Centre Arrupe Madagasikara.

26 jona 1960 - 26 jona 2026 : 66 taona namerenana ny fahaleovantena ho an'i Madagasikara ; na misy aza ny tsindry avy any ivelany, hita taratra ny fijoroana sy ny fahasaratom-piaron'ny Malagasy mikasika ny fiandrianam-pireneny. Songadina tsara sy mamelona indray ny fanantenana ny fiaraha-mientana sy ny firaisankina tamin'ny fankalazana ny fetim-pirenena ; ny fitafiana no hita ety ivelany fa na eo aza izany, ny fo miray dia efa vinaky tamin'ny endrika mirana sy fomba fitafy isam-paritra, Malagasy tokoa, tia ny fireneny, tia ny kolontsainy... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Nanokana roa andro teto an-drenivohitra niadian-kevitra sy nanatevenana ny fahalalan’ireo tantsaha mpikambana ao aminy momba ny tsy fanilihana ny andraikitra rehetra eny ambanivohitra hoan’ny tantsaha sy ny momba ny fitantanana ny rano ny tranoben’ny tantsaha mpamokatra. Kaonferansa natao ny 18 sy ny 19 Jona teo...

Manamafy hatrany ny fandaharana fa ny fifanajana sy ny fanajana dia manana ny lanjany ary antoka mahatsara ny rafim-piaraha-monina. Ny raim-pianakaviana no fitaratra ho an'ny zanaka lahy ary manana adidy lehibe izy hampiseho toetra mendrika ho an'ny ankohonany. Sarobidy ny ray, lohan'ny ankohonana, mitarika sy manabe, izy noho izany no miantoka ny fahatsarana na fahapotehan'ny fiainan'ny fianakaviana manontolo. Mahatsara ny fiaraha-monina ny fihavaozana izay mitaky fahatsiarovantena amin'ny toe-javatra maro... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 3 aogositra 2026

• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...