Zava-mitranga amin'ny fiainan'ny olombelona ny fiankinan-doha. Mety ho vokatry ny tarazo, fahabangana niainana teo aloha ka itadiavana fomba hamenoana azy, tsy fahampiana amin'ny lafiny maro indrindra ny fitiavana, fahadisoam-panantenana no mety ho antony mahatonga izany. Zava-dehibe noho izany ny fifanampiana eo anivon'ny tokantrano ahafahana misoroka sy miala amin'ny fiankinan-doha mety mahazo ny olona iray, toy ny fankaherezana azy, fanomezan-danja azy, fanampiana azy hankafy ny tenany sy hahalala ny fahamendrehany, fampandraisana andraikitra azy ary ny fahatokisana omena azy sy azony avy amin'ireo akaiky azy. Miaraka amin'izany rehetra izany ny vavaka. Fandaharana "miaina sy mitia"
Ny atao hoe zava-mahadomelina : zavatra hampidirina amin'ny vatana ary manakorontana ny asa voanjanaharin'ny taova ao anaty, ary mety mahafaty ihany koa, na ihany koa atao hoe poizina. Ny zava-mahadomelina dia manova ny fomba fandinihana sy ny fomba fandraisana ny zava-misy, ary ny fitadidiana. Ny zava-mahadomelina dia mitarika fiankinan-doha. Ny kafe dia tsy ao anatin'ny sokajin'ny zava-madomelina satria tsy manova ny fomba fandinihana zavatra iray. Fandaharana "amperala miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco...
Ketsa Saraka, na fafy saraka, ahazoana 10 taonina isaky ny hektara ny fampiharana ity teknika fambolem-bary nokarohany ity hoy jeneraly Rabemanantsoa Robert. Milonjehatra ny salohim-bary eny an-tanimbarin'i jeneraly amin'izao volana avrily izao. Tsy ho ela dia hampiaka-bokatra izy. Manam-boninahitra ambony misotro ronono nanana andraikitra ambony tao amin'ny tafika malagasy tamin'ny fotoan'andro ; liana tamin'ny voly vary.
Maro ny fanamby atrehan'ny fiaraha-monina malagasy ankehitriny, izay miantso ny tsirairay sy ireo fiaraha-monina ifotony hanadihady sy hitondra vahaolana maharitra mamaly ireny. Ny tsirairay miaraka amin'ny mpiara-belona aminy dia afaka mamantatra tsara sy manadihady ny fiaraha-monina sy ny tontolo iainany mba hihavaozany sy handraisany anjara amin'ny fanavaozany ny fiaraha-monina misy azy. Miantraika amin'ny fampandrosoana manontolo ny fikarohana rehefa ny tsirairay sy ny mpiara-belona no tia mikaroka mba hitondra vahaolana maharitra azony... Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe Madagasikara.
• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco