Toy ny isan-taona dia mikarakara ny antsoina hoe “Andro Sosialy” ny Asam-pamonjena sosialy sy ekolojika izay tantanan’ny Fikambanan’I Jesoa eto Madagasikara, mba ijerena akaiky sy itadiavana vahaolana manoloana ireo olana diavin’ny fiarahamonina. Araka ny lohahevitra dia hiresaka mahakasika ny fifidianana ity hetsika lehibe ity. Ny tanjona dia (i) ny hisoroka izay fifandirana ahiana hiseho na amin’ny lafiny ara-politika izany na amin’ny lafiny hafa toy ny firohotana isan-karazany na ny fikambanana ara-tsosialy, ka hisongadina ao anatin’izany ny firesahana ny etika sy ny moraly tokony ananana amin’ny andraikitra ara-politika... Fandaharana "miaina sy mitia"

Ny risoriso dia fanaovana zavatra tsy ara-dalàna sy tsy amim-pahamarinana. Ny fanaovana risoriso dia miteraka fahavoazana ho an'ireo manao azy, anefa mety hakasika ny rehetra ihany koa, izany hoe manimba zavatra maro. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.

Tratra ny fanamby napetraka tamin'ilay tetik'asa "Tontolo voajanahary lovain-jafy amin'ny ilany Atsinanan'i Madagasikara" raha ny momba ny fahafahan'ny tantsaha niatrika ny fiovan'ny toetr'andro nofaritana tamin'ny taona 2022. Tetik'asa madinika miisa 174 no natao nandritra izany. Tokantrano 17.800 mahery no nisitraka fampiofanana momba ny teknika fambolena lovain-jafy. Nihoatra lavitra tamin'ny tanjona nofaritana no tratra, taha hatrany amin'ny 153%. Amporisihana ireo tantsaha hanao ny voly mampidi-bola sy voly atao  sakafo mba hisorohana ny fanapotehana ny ala hanamaivanana ny fahasahiranana vokatry ny fiatraikan'ny COVID-19 sy ny fiovan'ny toetr'andro.

Manana  fifandraisana manokana   amin’Andriamanitra   isika  araka   ny  làlana   sy   ny traikefa ary ny sedra diavintsika tsirairay avy. Manana drafi-pitiavana ho ahy eto an-tany   Andriamanitra,   tsy   misy   kisendrasendra   izany.   Ny   zava-drehetra   dia nalahatr’Andriamanitra avokoa, ary ny faniriany ho antsika dia ny fiainana anatin’ny fahafenoana. Miantso ny olombelona hitady Azy Andriamanitra, hahafantatra Azy sy ho tia   Azy.   Tanora   mandalo  sedra   sy   fitsapana   aho   fa   tsapako   “fa   sarobidy   eo imason’Andriamanitra aho ary tonga eto (an-tany) aho ho amin’ny iraka manokana anirahany ahy”. Fandaharana "miaina sy mitia"

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...