Raha tian'ny ray aman-dreny ny hanana taranaka vanona sy mendrika dia mila manao ezaka ny  rehetra mba hanome fanabeazana ao anatin'ny fahamarinana. Ny fahamarinana dia antoka iray mampifanakaiky am-po. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.

Ezaka no hatao hanampiana sahady ny tovovavy hiatrika ny ho reny sy ho renim-pianakaviana. Manoloana ny fahasahiranan'ny reny, amin'izao fotoana izao, dia mampanahy ny fiatrehan'ireo tovovavy ho reny, aoriana ao, ny fiainana. Raha hisafidy ny hoe reny ny tovovavy iray dia tokony ho fantany izay manodidina ny fananahana. Ny reny dia ireo niteraka sy nanabe ara-batana ; ny renim-pianakaviana kosa ireo manabe ny saina sy ny fo, ny fanahy, ny maha olona manontolo. 

Ny 31 mey no andro maneran-tany tsy hifohana sigara, entanina ny olona rehetra mba tsy hifoka sigara sy tsy hividy sigara manomboka amin'io daty io. Ny nanamboatra ny sigara voalohany dia mpangataka, teratany Espagnole ; notsakoina taloha ny sigara fa taty aoriana vao nofonosina. Mety aretina maro sy mafy kokoa ho an'ireo tsy mpifoka sigara, izay mahafoka tsinahy setroka sigara, amin'ny toerana samihafa no azony noho ny an'ireo tena mpifoka. Azo atao tsara ny manampy ny olona te hiala sigara, ara-tsaina, ara-batana. Ireo fototra afahana miala sigara : fanapahan-kevitra hiala sigara ; faharoa tsy mividy sigara intsony ; fahatelo mifoka rivotra madio 10 minitra isa-maraina ; fahaefatra manadio ny aty vava, misotro rano iray vera isan'ora...

Manohy ny dingana fampanaraham-penitra an'ireo ivon-toeram-piofanana mivondrona ao aminy ny tambazotran'ny Mpampiofana momba ny Fambolena sy ny eny Ambanivohitra eto Madagasikara na ny FARMADA. Manampy an'ireo ivon-toeram-panofanana, ny mpampiofana, ireo tantsaha mpanao tolo-draharaha momba ny fanofanana ahafahan'izy ireo misitraka ny taratasy manamarina izay fananàny traik'efa izay amin'ny alalan'ny firosoana amin'ny Fankatoavana ny Azo tamin'ny Traik'efa na ny VAE ity rafitra ity ankehitriny.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...