Ny vehivavy dia manana ny lanjany amin'ny fampandrosoana ny firenena. Manana adidy ny vehivavy manoloana ny tolom-panafahana amin'ny alalan'ny firaisan-kina ho an'ny tanindrazana. Fahaleovan-tena mampisalasala no azon'ny Malagasy, noho izany dia amin'ny endrika hafa no handraisan'ny vehivavy an-tanana ny fanohizana ny tolom-panafahana. Amin'ny alalan'ny asa isan-karazany no hanatontosany izany. Manao ny ezaka rehetra ny vehivavy, maneho firaisan-kina mba ahafahana mampandroso ny tanindrazana ary mba ho lovain-jafy, amin'ny lafiny fihariana, sy ny fanabeazana, fifanampiana amin'ny lehilahy. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

25% amin'ny mponina maneran-tany dia voakasiky ny tsy fahampian-dra avokoa, ny 42% amin'ny zaza latsaky ny 5 taona, ny 40% amin'ny vehivavy mitondra vohoka ary iray ampaha-telon'ny vehivavy ao amin'ny taona ahafahana miteraka, ireo ihany koa dia miaina ao anatin'izany tsy fahasalamana izany. Ny atao hoe tsy fahampian-dra : tsy fahampian'ny sela mena ao anatin'ny ra, izay mampihena ny tahan'ny rivotra tonga any amin'ny taova rehetra ka mahatonga sehon'aretina samihafa. 120 andro ny faharetan'ny fiainan'ny sela mena iray, 1% ny sela mena dia ilaina havaozina isan'andro. Ny antony dia tsy fahampiana "Fer" Vitamine B12-B9, na fahaverezan-dra, fisiana kankana. Fambara : hatsatra, reraka lava, fihenan'ny tosi-dra...

Mandrava ny voly, seha-piveloman'ny tantsaha ny bibikely mpanimba voly tato ho ato. Velon-taraina ny mpamboly any ambanivohitra manoloana izany. Hirika iray ahafahana miady amin'izany no entin'i Papa Bio, na Ranaivoarison Basile.

Miaina andram-piainana fihetseham-po miovaova sy mahery vaika ny zatovo. Zava-dehibe ny fahaizana mitantana ny fihetseham-po. Mety hitarika fahavoazana ny tsy fahaizana mitantana azy, ary manampy amin'ny lafim-piainana maro ny fifehezana azy. Ahafahana manana fomba fijery miabo sy mandray fanapahan-kevitra tsara ny fahaizana mitantana ny fihetseham-po...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...