• Tanjon'ny fivoriana andiany faha-9 momba ny fiarovana an-dranomasina, atao eto amintsika, ny hanamafy ny fifampizarana vaovao sy ny fifanakaloazana traikefa amin'ny fiomanana amin'ireo aro loza ary ny fandriampahalemana eny an-dranomasina… • Nanamarika ny faha-108 taona nitsaharan'ny Ady Lehibe Voalohany teny amin'ny Anjely Mainty Anosy androany isika teto Madagasikara… • Manombana ny toe-draharaha politika eto Madagasikara indray ny delegasiona avy amin'ny SADC sy ny Vondrona Afrikanina, hatramin'ny 18 novambra 2026…
♦ Nidera ny ezaka nataon'ny Fitondram-panjakana naka ny hevitr'izy ireo momba ny volavolan-dalàna hifehy ny fifidianana ny firaisa-monim-pirenena. Misy ny lesoko mila harenina hanatsarana ny fomba fiasa amin'ny ho avy hoy ny SAFIDY... ♦ Hanampy ny ARELEC hisahana ny fandrindrana ny kalitaon'ny tolotra sy ny saran'ny herinaratra avy amin'ireo orinasa mpamatsy izany eto Madagasikara, Banky Afrikanina hoy an'ny B.A.D... ♦ Tanterahana eto Antananarivo ny kaoferansa nasiônaly anaovana ady sisika amin'ny vokatry ny fanadihadiana natao momba ny atontan-kevitra mahakasika ny fahafahan'ny vehivavy sy ny tanora miatrika ny toetr'andro...
Ny hoe antitra dia ireo olona efa osa, tsy ampy fahasalamana sy tanjaka entina miasa, verivery saina sy fitadidiana ; ny zokiolona kosa dia ireo olombelona 60 taona no mihoatra. Tsy tokony ary ilaina hitandremana ny fanilikilihana ireo zokiolina sy ny antitra. Ho fitsimbinana ny aina sy ny hery dia tsara no handanjalanjana ny fampiasana vatana, anefa tsy tokony hipetra-potsiny ihany koa. Ilaina amin'ny vanim-potoana maha zokiolona ny fanetseham-batana, eny fa na ny vanin-taolana ihany aza... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
♦ Haroso hodinihan'ny solombavambahoaka amin'izao fivoriana ara-potoana faharoa ho an'ny Antenimieram-pirenena izao ny volavolan-dalàna hifehy ny fitsapan-kevi-bahoaka momba ny Lalam-panorenana. Isan'ny nambaran'ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana izany raha namarana ny dinika fakan-kevitra ho fanomanana ny fifidianana izy omaly... ♦ Tsy eto an-tanindrazana ny Filohan'ny Fanavaozana ; nandao an'i Madagasikara alina nihazo an'i Turquie hanatrika ny fihaonam-be faha-31 momba ny fiovan'ny toetr'andro... ♦ Tsy tale jeneralin'ny ORTM intsony Andriamatoa Lemana Elysé...
• Mahaiza miaina amim-pilaminana ary samia manao tsara ny asany. Io no hafatra nanentanan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara ny mpino rehetra, taorian'ny Fivoriambe izay notanterahin'izy ireo teto Antananarivo… • Nifarana omaly ny Fihaonamben'ny Pretra Diosezanina, izay notanterahana tany amin'ny Diosezin'Antsirabe. Pretra 1126 no niatrika izany… • Làlana iray itomboana ny aretina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly…
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco