♦ Tao Lisieux tany Normandie-France no namaranana tamin'ny fomba ôfisialy ny fivahinianana Masina naharitra herinandro nataon'ireo Evekan'i Madagasikara... ♦ Nahafatesan'olona telo ny trangana fahapozinana ara-tsakafo niseho tany Mahajanga, olona enina mbola manaraka fitsaboana momba ny fahapozinana ara-tsakafo tao Toamasina ; etsy ankilany natsangana ny "cellule de crise" ho an'iilay tranga teto Antananarivo...♦ Tokony ireo asa tena laharam-pahamehana ho an'ny vahoaka no hampiasana ny volam-panjakàna hoy ny tolo-kevitry ny fitsarana momba ny kaonty sy ny fitsarana ara-bola nandritra ny fampahafantarana ny drafitra stratejika vaovao 2025-2030...

18 jona — Miaramila tao amin’ny tafika romanina i Léonce, ary mpitoka-monina iray no nampibebaka azy. Nozarainy tamin’ireo mahantra ny sakafon’ny tafika misy azy. Ary tsy niafina izy tamin’ny fitiavam-bavaka an’i Kristy, sy nanameloka ny fivavahana amin’ny sampy.

Hoy i Masindahy Igniace tamin'ny taon-jato faharoa hoe : amin'ny toerana misy ny Eveka no misy ny Eglizy ; tsy afaka hiteny Eglizy mihitsy raha tsy misy Eveka ary tsy "Valide" ny maha Eglizy ny Eglizy raha tsy misy Eveka. Ny fanamasinana eveka iray dia tanterahina ao anatin'ny fankalazana iray mba hanome lanja ny fandraisany ny raharaha maha eveka azy... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

• Miisa 17 ireo olona maty vokatry ny fihinana sakafo nandritra ny fety ny sabotsy teo. Tafakatra 14 ny isan'ireo maty teny amin'ny hopitaly Ravoahangy Andrianavalona androany maraina... • Nizotra am-pilaminana ny fanadinana CEPE manerana ny nosy, notanterahana androany. Nitsidika ny foibem-panadidina teny amin'ny CEG Avaradrova androany maraina, ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle... • Endriky ny tsy fisian'ny demokrasia ireny teny nataon'ny Praiminisitra teny amin'ny Lapan'ny Antenimeran-doholona omaly ireny, hoy ny filohan'ny Hery Politika Mitambatra. Endrika fandrahonana ny mpanohitra ihany koa, hoy ny Profesora Ralison Roger...

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...