♦ Hanomboka anio ny taom-pianarana vaovao eto Madagasikara. Hizara roa volana dimy izany, ka tsy hifarana raha tsy ny 30 jona 2027... ♦ Mandrahona hitokona ireo mpiasan'ny Aviation Civile de Madagascar, mpikamban'ny sendikà Fisemare, noho ilay raharaha fampiantsoana teny amin'ny Bianco. Nanao fanambaràna izy ireo ny sabotsy teo... ♦ Mbola nampiato ny famokarana ny QMM, taorian'ilay zava-nitranga ny 30 aogositra teo. Nanamafy ny fahavononany hanohy ny fifampidinihina amin'ireo voakasika amin'ity raharaha ity ny orinasa... ♦ Nanomboka omaly indray ny dinika fikatsaham-bahaolana momba ny ady any Ukraine...
.../… Hisokatra indray ny varavaran-tsekoly. Hanomboka amin’ity herinandro ity ny taom-pianarana 2026 – 2027 eto Madagasikara, araka ny tetiandro ofisialy efa navoakan'ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena. Ao ireo sekoly efa misantatra ny taom-pianarana vaovao anio Alatsinainy 07 septambra, fa ao ihany koa ny rahampitso na ny Alarobia izao. Hizara roa volana dimy izany, ka tsy hiato kely indray izao roa volana voalohany izao, raha tsy ny 30 ôktôbra, arahan'ny fialan-tsasatry ny "Toussaints".
Ny Tanjon'ny Katesizin'ny fiangonan katôlika dia manome fampianarana voarindra sy voafintina an'ireo singa manan-danja sy fototra momba ny fampianaram-pinoana katôlika izay mahakasika ny finoana sy ny môraly. Ny tanjona amin'ny Katesizy dia mahafantatra an'i Kristy, izay tsy fahafantarana ara-tsaina fotsiny fa fahafantarana ny misterin'Andriamanitra mihitsy... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny maha-olona ", iarahana amin'i Mgr Mamiarisoa Modeste.
Alahady 06 septambra 2026. Alahady faha-23 mandavantaona — A — Ny Kristianina tsy mifampijery arina an-tava : Aleloia. Aleloia. Raha misy tia Ahy, hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy Izahay, ka honina ao aminy. Aleloia. Irin'i Kristy isika ho lavorary toa ny Ray any an-danitra, anefa samy manana ny kilemany ny olombelona koa izay no hifanentanana mba tsy hifampisorona manoloana ny fahadisoana ary tokony hatao amim-pitiavana. Toetra tsy mety : ny tsy firaharahiana ny hafa, ny fitsarana be fahatany sy fanapariahana ny mety ho fadisoan'ilay namana. Ny fifampiresahana no tena tsara ary tohizana fitiavana...
• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco