♦ Ho fampandraisana anjara ny rehetra amin'ny fifidianana, ny hizoran'izany anaty mangarahara ary eken'ny rehetra no isany tanjona anatin'ilay dinika fakan-kevitra hanomanana ny fifidianana karakarain'ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika... ♦ Hanomana hetsika sendikaly goavana hijerena ireo olan'ny sendikan'ny mpiasam-panjakàna toy ny SECREN, ny ACM ary Air Madagascar sy ho fanamarihana ny faha-9 taona nijoroany ny Randrana Sendikaly... ♦ Mahatsiaro ho voafitaka sy nivadihan'ny minisiteran'ny fitanterana ireo kôperativa miasa eny amin'ny toby fiantsonana Fasan'ny karàna noho ilay fe-potoana 15 andro, hialana eny an-toerana...
Efa misy ny ezaka vita mikasika ny fampitovian-jo ho an'ny lehilahy sy ny vehivavy, anefa mbola maro ihany koa no tsy tanteraka. Ny lalàna afahan'ny vehivavy misitraka zo sy lalàna miaro azy ireo dia maro no voadiaka sy tsy sitrahany. Ohatra mivaingana ny fampianarana sy ny fanabeazana, maro ny vehivavy tsy nomena fahafahana feno hianatra. Zava-dehibe anefa ny toerana sahanin'ny vehivavy, singa iray mampivelatra ny fianakaviana. Tokony misy fahafahana mitovy eo amin'ny lehilahy sy vehivavy, mba afahany mitombo sy mivoatra, samy mendrika fanajàna... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
♦ Miampy iray indray ny karazam-bary vaovao azon'ny tantsaha Malagasy vokarina dia ny " Besalohy" izay niarahan'ny FOFIFA sy ny Foibem-pikarohana Japoney momba ny siansa mahakasika ny Fambolena JIRCAS, namolavola... ♦ Nosazian'ny Fitsaràna sazy anterivozona 10 taona an-tranomaizina nandritry ny fotoam-pitsarana notanterahina omaly talata ny Jeneraly Ravalomanana Richard... ♦ Mpisandoka laharam-boninahitra fa tsy jeneraly no tompon'antoka tamin'ilay fiara ana manamboninahitra tra-tehaka nitondra rongony tany Betroka ny 30 aogositra teo hoy ny fampitam-baovao nataon'ny Ministeran'ny Foloalindahy Malagasy...
♦ Niatrika fitsarana teny amin'ny tribonaly ambaratonga voalohany teny Anosy, androany, ny jeneraly Ravalomanana Richard. 10 taona an-tranomaizina, sazy miatra, asa an-terivozina no azony... ♦ Hanohana ny FOFIFA amin'ny fanapariahana ny voka-pikarohana vitan'izy ireo ny Fanjakàna Malagasy. Nampahafantarina androany ny karazam-bary vaovao "Besalohy"... ♦ Namoaka ny andiany Fanilo sy Mahefa ny Sekoly ambony ESDES. Hentitra ny tale jeneralin'ny BIANCO, nampitandrina sy nanentana ireo tanora mba tsy ho voasarika amin'ny kolikoly...
• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco