♦ Miisa 9 ireo filoham-panjakàna sy lehiben'ny governemanta andrasana ho tonga eto Madagasikara hiatrika ny fihaonana an-tampon'ny SADC andiany faha-45... ♦ Mampanahy raha hilatsaka ho an'ny firenena sy ny Malagasy iray manontolo ny sazy noho ny tsy fahaiza-mitantan'ny mpitondra ankehitriny hoy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana... ♦ Tsy hampiova ny vidin'entana amin'ny ankapobeny ny fiovaovan'ny vidin-tsolika misy eto Madagasikara hoy ny Profesora Ralison Roger... ♦ Mandrahona ny mpitondra any Inde amin'ny hampiakarana ny haban-tseranana indray ny filoha amerikana Donald Trump...

♦ Nitondra fanazavana momba ny fahatongavan'ny FBI hanao fanadihadiana momba ireo Boeing 777 ny Praiministra Ntsay Christian... ♦ Mila manao dingana misimisy kokoa i Madagasikara raha te hisitraka tombontsoa ao anatin'ny SADC hoy ny mpahay toe-karena sy fitantanana Profesora Ralison Roger... ♦ Namafisin'ny federasionina Malagasy ny taranja Echecs fa tsy fanarahan-dalàna no antony nampiatoana tamin'ny asany ny filohan'ny ligy eto Analamanga... ♦ Manomboka maneho hevitra manohitra ny dingana ataon'ny praiministra israelianina ireo tompon'andraikitra ambony teo aloha any Israely...

Fanantenana lehibe no nandrisika an'i Masina Maria hiatrika ny fampahoriana ny Zanany na dia nizotra tamin'ny lalan'ny fahafatesana aza i Jesoa Zanany. Ny finoana nananan'i Masina Maria sy ireo Apôstôly mpianatr'i Jesoa dia endriky ny finoana ananan'ny Kristiana ankehitriny ihany koa. Famonjena tsy manavaka no notontosain'i Jesoa, fanatanterahana ny sitrapon'Andriamanitra ; Reny am-panahy ny mpino rehetra i Masina Maria... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

• Efa tonga eto Madagasikara ny FBI, hanao fanadihadiana momba ny raharaha Boeing 777, hoy ny Praiminisitra androany. Nambarany fa havoaka amin'ny fomba mangarahara ny zava-misy marina momba ity raharaha ity... • Ny fivorian'ireo mpiasam-panjakana ambony no nanokafana ny fihaonana an-tampon'ny SADEC, izay ampiantranointsika. Hisy akony amin'ny firoboroboan'ny fizahan-tany izao fivoriana izao, raha haintsika ny manararaotra, hoy ny Profesora Ralison Roger... • Fianakaviana arivo no tsy manan-kialofana, vokatry ny fandrodanana trano any amin'ny Distrikan'i Toamasina Faharoa. Voalaza fa lasan'ny mpandraharaha vahiny ny tanin'izy ireo, ka hanaovana “Parc solaire”...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...