Fanomanana ny fahatongavan'ny  Mpamonjy no fototra nahatongavan'i Masina Maria ; izy ilay virijiny hanana anaka hiteraka zazalahy omena anarana hoe Emanoela. I Masina Maria dia ilay zanaka vavin'i Siôna, nahataperan'ny fetr'andro nandrasana ela araka ny fampanantenana, ary nahatanterahan'ny fandaharana vaovao fa avy aminy no nakan'ny zanak'Andriamanitra ny fomba maha olombelona, ho famonjena... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

• Nanolo-kevitra ny CENI, hanatsarana ny zotram-pifidianana eto Madagasikara, ny Komity mitandro ny fahitsiana na ny CSI. Tokony ampidirina amin'ny lalam-pifidianana ny ady amin'ny kolikoly... • Manaraka ny vidin'ny solika eo amin'ny tsena iraisam-pirenena ny vidin'ny solika eto amintsika. Ny vidin'ny solika tamin'ny volana jona lasa teo no mihatra eto Madagasikara amin'izao volana aogositra izao, hoy ny Minisitra tompon'andraikitra... • Nampahafantarina tety Ivato ny tranonkalam-pifandraisan'ny EITI Madagascar vaovao. Fotoana nanolorana ny dika amin'ny teny anglisy sy teny sinoa ny fehezan-dalana vaovao mifehy ny harena an-kibon'ny tany eto Madagasikara tamin'ny taona 2023...

• Mila mpitondra hafatra ho an'ny fanantenana izao tontolo izao, hoy ny Ray masina, tamin'ny fanokafana ny Jobilin'ny Tanora ny 29 jolay 2025... • Nosokafana androany maraina, tao amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny Jobilin'ny Tanora sy Andron'ny Tanora eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Nankalaza ny Taon-jobily ihany koa ny tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé, ny Tanora tao amin'ny Faritra Androna...

Mamaha olana an’ireo tantsaha mpikambana an’arivony ao aminy ny fijoroan’ny fikambanana Lanja Miakatra nandritra ny taona maro nijoroany. Fikambanana saro-piaro ary mampihatra ny famokarana ara-biolojia tsy mampiasa taharo simika amin’ny fambolena sy ny fiompiana ilofosan’izy ireo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...