• Nanatitra ny taratasy manendry azy ho ambasadaoron'i Arabie Saoudite eto Madagasikara, tamin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, teny amin'ny lapam-panjakana Iavoloha androany, Andriamatoa Ahmad Mohamad Alwo-Haib... • Mitaky ny hisian'ny fifanarahana politika ny RMDM, mialoha ny hirosoana amin'ny fikaonandoham-pirenena... • Vatsim-pianarana maromaro no zaraina amin'ireo mpianatra Malagasy te handranto fianarana any ivelany, mandritra ny hairanty “International Education Expo”...

• Solontena 37 avy amin'ny diosezy 20 amin'ny 22 no nandray anjara tamin'ny fiofanana momba ny fampiharana ny Eglizy miara-dia... •Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-89 taonany i P. Baigny Dezy... •Hankalazaina any Jourdanie amin'ny 2030 ny faha-2000 taonan'ny nanaovana Batemy an'i Jesoa...

Mamaha olana an’ireo tantsaha mpikambana an’arivony ao aminy ny fijoroan’ny fikambanana Lanja Miakatra nandritra ny taona maro nijoroany. Fikambanana saro-piaro ary mampihatra ny famokarana ara-biolojia tsy mampiasa taharo simika amin’ny fambolena sy ny fiompiana ilofosan’izy ireo. Mifampizara traik’efa momba ny fikarohana amin’ny famokarana izy ireo mba afahana manatsara hatrany ny vokatra. Fahombiazana no azo tao anatin’izay 20 taona mahery nijoroan’ny fikambanna izay, indrindra ny fanatsaràna hatrany ny famokarana ny zezika kakana amin’ny alalan’ny fikarohana tsy mitsahatra...

• Manao ranolava ny fanambaran'io Solombavam-bahoaka eny Tsimbazaza, miaro ny andrim-panjakana misy azy ireo. Tsy sakana amin'ny firosoana amin'ny fanavaozana izy ireo, hoy ny depiote voafidy tany Fenoarivo Atsinanana... • Mila hamafisina ny fiarovana amin'ny MPOX amin'izao fotoanan'ny fialan-tsasatra izao, hoy ny mpitondra tenin'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka momba ny MPOX, ny Profesora Mamy Randria. Mitombo hatrany ny isan'ny tranga vaovao hita...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...