Boky Fanambarana nosoratan’i Masindahy Joany Apôstôly (Apok. 5, 1-10)
Izaho Joany dia nahita teny an-tanana ankavanan’Ilay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana
boky voasoratra tao anatiny sy teo ivelany, voaisy tombokase fito.
Dia indro, nisy anjely mahery anankiray niantso tamin’ny feo mafy hoe:
“Iza no mendrika hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny?”
Ary tsy nisy, na tany an-danitra, na tetý an-tany, na tany ambanin’ny tany,
nahasokatra sy nahajery azy akory.
Koa nitomany mafy aho, fa tsy hita izay mendrika hanokatra ny boky sy hijery azy.
Dia hoy ny anankiray tamin’ny Anti-dahy tamiko:
“Aza mitomany, fa indro, efa nandresy ny Liona avy amin’ny fokon’i Jodà ny solofon’i Davida,
ka hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny fito.”
Ary hitako, fa indro, teo afovoan’ny seza fiandrianana sy ny Zava-manana aina efatra,
sy teo afovoan’ireo Anti-dahy, dia nisy Zanak’ondry nitsangana,
tahaka ny voavono, nanan-tandroka fito sy maso fito,
dia ny Fanahy fiton’Andriamanitra nirahina any amin’ny tany rehetra.
Dia tonga Izy ka nandray ny boky teny an-tanan’Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana.
Nony nandray ny boky Izy,
dia niankohoka teo anoloan’ny Zanak’ondry ny Zava-manana aina efatra sy ny Anti-dahy efatra amby roapolo,
izay samy nanana lokanga sy lovia volamena feno zava-manitra,
dia ny fivavahan’ny olo-masina izany.
Ary nanao hira vaovao izy ireo nanao hoe:
“Ianao no mendrika handray ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny.
Fa voavono Ianao, ka ny Ranao no nanavotanao ho an’Andriamanitra ny fokom-pirenena rehetra sy ny samihafa fiteny,
mbamin’ny fanjakana sy ny firenena rehetra.
Nataonao fanjakana mpisorona ho an’Andriamanitra izy ireo, ka manjaka etý ambonin’ny tany.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 149, 1-2. 3-4. 5-6a sy 9b
Ihirao hira vao ny Tompo!
Derao ao am-Piangonan’ny mpivavaka Izy!
I Israely aoka hifaly amin’Ilay nanao azy;
ny zanak i Siôna hiravo amin’ilay Mpanjakany.
Hidera ny Anarany amin-dihy,
hiantsa Azy amin’amponga sy lokanga!
Fa sitraky ny Tompo ny vahoakany;
ravahany fandresena ny ory!
Ny mpivavaka aoka hientana amin’ny voninahiny,
sy hanao hobin-kafaliana ara-pomba
ho fankalazana an’Andriamanitra:
izany no voninahitry ny mpivavaka aminy rehetra!
Aleloia. Aleloia.
Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampanantenana tamintsika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 19, 41-44)
Tamin’izany andro izany,
nony mby akaiky an’i Jerosalema i Jesoa dia nitomany azy nanao hoe:
“Raha izay kosa manko ianao no mba nahalala izay hampiadana anao,
na dia amin’itý andro nomena anao itý ihany aza!
Fa takona ny masonao izany ankehitriny.
Ka ho avy aminao ny andro hanaovan’ny fahavalonao hady manodidina anao;
hosaronany ianao sy hotereny hatraiza hatraiza,
ary hofongorany hatramin’ny tany mbamin’ny zanakao eo anatinao
ka tsy havelany hisy vato mifanongoa eo aminao,
satria tsy nahalala ny andro namangiana anao ianao.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Fanambarana nosoratan’i Masindahy Joany Apôstôly (Apôk. 4, 1-11)
Izaho, Joany, nahita varavarana nivoha teny an-danitra;
ary ilay feo voalohany efa reko, toy ny an’ny trômpetra, dia niteny tamiko hoe:
“Miakara atý, fa hasehoko anao ny zavatra tsy maintsy ho avy any aoriana any.”
Niaraka tamin’izay, dia voatsindrin’ny Fanahy aho,
ka indro nisy seza fiandrianana niarina tany an-danitra,
ary nisy nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana.
Toy ny vato jaspa sy sardoana ny tarehin’Ilay nipetraka;
ary voahodidina avana miendrika emeraoda ny seza fiandrianana.
Nisy seza fiandrianana efatra amby roapolo nanodidina ilay seza fiandrianana anankiray,
ka Anti-dahy efatra amby roapolo koa no nipetraka tambonin’ireo;
fitafiana fotsy no nentiny, ary satro-boninahitra volamena no teny an-dohany.
Helatra sy feo aman-kotroka no nivoaka tamin’ilay seza fiandrianana,
ary fanaovan-jiro fito mirehitra no teo anoloany,
dia ny Fanahy fiton’Andriamanitra izany.
Nisy toa ranomasina fitaratra miendri-kristaly teo anoloan’ilay seza fiandrianana,
ary Zava-manana aina efatra feno maso avokoa ny anoloany sy an-damosiny
no teo afovoany sy nanodidina azy.
Ilay Zava-manana aina voalohany moa toy ny liona,
ny faharoa tahaka ny zanak’omby,
ny fahatelo nanan-tava toy ny an’ny olona,
ary ny fahefatra sahala amin’ny voromahery manidina.
Samy manana elatra enina avy ireo Zava-manana aina efatra ireo,
feno maso manodidina ny tenany sy ny tao anatiny,
ary tsy nitsahatra izy ireo, fa nilaza andro aman’alina hoe:
“Masina, masina, masina, ny Tompo Andriamanitra, mahefa ny zavatra rehetra,
izay taloha sy ankehitriny ary ho avy!”
Nony injay ireo Zava-manana aina manome haja amam-boninahitra sy saotra
an’Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana sy velona mandrakizay mandrakizay,
ireo Anti-dahy efatra amby roapolo kosa
dia miankohoka eo anoloan’Ilay mipetraka amin’ny seza fiandrianana koa,
sy mitsaoka an’Ilay velona mandrakizay mandrakizay,
ary manipy ny satro-boninahiny eo anoloan’ny seza fiandrianany, ka manao hoe:
“Ianao, ry Tomponay sy Andriamanitray,
no mendrika handray ny haja amam-boninahitra ary fahefana,
fa Ianao no nahary ny zavatra rehetra,
ary noho ny sitraponao ihany no nisiany sy naha-ary azy.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 150, 1-2. 3-4. 5-6
Derao Andriamanitra any an-toerany masina!
Derao Izy any amin’ny habakabany mahery!
Derao Izy noho ny fahefany tsy toha!
Derao Izy noho ny halehibeny diso hoatra!
Derao Izy amim-peon’anjomara!
Derao Izy amim-baliha sy lokanga!
Derao Izy amin’amponga sy dihy!
Derao Izy amin’ny jejy sy sodina!
Derao Izy amin-kipantso-mikarantsana!
Derao Izy amin-kipantsom-pamindrana!
Ny manana aina rehetra
aoka hidera ny Tompo!
Aleloia. Aleloia.
Raiso ny tenin’Andriamanitra, tsy ho toy ny tenin’olombelona anefa, fa araka ny marina tokoa, ho tenin’Andriamanitra.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 19, 11-28)
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao itý fanoharana itý,
fa efa akaiky an’i Jerosalema Izy,
ary nataon’ny olona fa ny fanjakan’Andriamanitra hiseho miaraka amin’izay,
ka hoy Izy:
“Nisy andriandahy anankiray nankany an-tany lavitra mba handray fanjakana,
dia mbola hiverina.
Dia niantso folo lahy tamin’ny mpanompony izy ka nanome azy mina folo
ary nanao taminy hoe:
‘Ampitomboy ireny mandrapiveriko.’
Fa nankahala azy kosa ny vahoaka iray tanindrazana aminy
ka nampitondra teny nanaraka azy nanao hoe:
‘Tsy tianay hanjaka aminay iny lehilahy iny.’Nony nahazo fanjakana izy, ka tafaverina,
dia nampaka ny mpanompo nomeny vola mba hahitany izay tombony azony avy.
Dia tonga ny voalohany ka nanao hoe:
‘Tompoko, nahazoana mina folo ny mina iray.’
Ary hoy izy taminy:
‘Tsara izany, ry mpanompo tsara,
noho ianao nahatoky tamin’ny kely, dia hifehy tanàna folo ianao.’
Dia tonga koa ny faharoa ka nanao hoe:
‘Tompoko, nahazoana mina dimy ny mina iray.’
Ary hoy izy taminy:
‘Hifehy tanàna dimy koa ianao.’
Fa tonga kosa ny anankiray ka nanao hoe:
‘Tompoko, indro ny minanao, fa notahiriziko tao anaty lamba;
satria natahotra anao aho,
noho ianao lehilahy sarotiny ka maka izay tsy napetrakao sy mijinja izay tsy nafafinao.’
Dia hoy ilay mpanjaka taminy:
‘Azoko amin’ny vavanao ianao, ry mpanompo ratsy fanahy;
fantatrao fa olona sarotiny aho ka maka izay tsy napetrako, ary mijinja izay tsy nafafiko;
koa nahoana àry no tsy napetrakao tany amin’ny banky ny volako
mba handraisako azy mban-janany rahefa tafaverina aho?’
Dia izao no nataony tamin’izay teo:
‘Alao ny minany eny aminy ka omeo an’ilay manana folo.’
Fa hoy ireo taminy:
‘Tompoko, efa manana mina folo izy.’
‘Lazaiko aminareo fa izay manana no homena;
fa izay tsy manana kosa dia halaina mbamin’izay ananany aza.
Ary ireo fahavaloko tsy nety hanjakako ireo kosa dia ento atý,
ka vonoy eto anatrehako.’”
Rahefa niteny izany i Jesoa, dia nandeha nialoha hiakatra any Jerosalema.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Fanambarana nosoratan’i Masindahy Joany Apôstôly (Apôk. 3, 1-6. 14-22)
Izaho, Joany, naheno ny Tompo nilaza tamiko hoe:
“Ho an’ny Anjelin’ny Eglizin’i Sarda:
Izao no lazain’Ilay manana ny Fanahy fiton’Andriamanitra sy ny kintana fito:
Fantatro ny asanao; malaza hoe velona ianao, nefa maty.
Miambena ary hamafiso ny sisa efa ho faty.
Hitako fa tsy lavorary eo anatrehan’Andriamanitra ny asanao.
Koa tsarovy ny fampianarana noraisinao sy nohenoinao, dia tano izany, ka mibebaha.
Fa raha tsy miambina ianao, dia ho avy ao aminao toy ny mpangalatra Aho,
ka tsy ho fantatrao izay ora hiaviako ao aminao.
Misy olona vitsy tsy nandoto ny fitafiany anefa aty aminao aty Sarda,
ka ireo dia hiara-mandeha amiko mitafy lamba fotsy, satria mendrika.
Izay handresy dia hampitafiana lamba fotsy toy izany koa;
ary tsy hamono ny anarany ao amin’ny bokin’ny fiainana Aho,
fa hankalaza ny anarany eo anatrehan’ny Raiko, sy eo anatrehan’ny Anjeliny.
Izay manan-tsofina aoka hihaino ny lazain’ny Fanahy amin’ny Eglizy.Manorata koa ho an’ny Anjelin’ny Eglizin’i Laôdisea:
Izao no lazain’ny Amen, ilay Vavolombelona mahatoky sy marina,
Fototry ny zava-boaarin’Andriamanitra:
Fantatro ny asanao: tsy mangatsiaka na mafana ianao:
nefa aleo mangatsiaka na mafana ianao;
fa noho ianao matimaty, na hoe tsy mangatsiaka tsy mafana,
dia efa haloan’ny vavako ianao.
Ianao mihambo hoe: mpanan-karena aho, nahazo fananam-be, tsy manan-java-mahory aho;
kanjo tsy fantatrao, fa ianao dia olona ory, fadiranovana, mahantra, jamba, ary mitanjaka aza.
Koa manoro hevitra anao aho mba hividy amiko volamena voadio tamin’ny afo,
dia hanan-karena ianao: sy fitafiana fotsy hitafianao,
mba tsy hisehoan’ny henatrao noho ny fitanjahanao;
ary ody maso hahosotrao ny masonao, dia hahiratra ianao.Izay rehetra tiako no anariko sy faiziko; mazotoa àry, ka mibebaha.
Indro, mitsangana eo am-baravarana Aho, sady mandondòna;
ka raha misy mihaino ny feoko, sy mamoha ny varavarana,
dia hiditra ao aminy Aho, ka hiara-misakafo aminy, ary izy hiaraka amiko.
Izay handresy dia hasaiko miara-mipetraka amiko eo amin’ny seza fiandrianako;
toa Ahy nandresy koa, ka miara-mipetraka amin’ny Raiko, eo amin’ny seza fiandrianany.
Izay manan-tsofina aoka hihaino ny lazain’ny Fanahy amin’ny Eglizy.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 14, 2-3ab. 3de-4ab. 5
Mandresy izay mizotra tsy aman-tsiny
sy mitandro ny rariny:
milaza izay tena ao am-po,
tsy mamela ny lela haniasia.
Tsy manisy ratsy ny namana
na manebaka ny miara-monina;
tsy manao ny olo-meloka ho zavatra,
fa manaja izay matahotra ny Tompo.
Tsy mampanàna vola,
na mandray kolikoly hahavoa ny madio.
Izay manao izany
tsy hihontsona mandrakizay.
Aleloia. Aleloia.
Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana. Ankamasino amin’ny fahamarinana izahay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 19, 1-10)
Tamin’izany andro izany, i Jesoa,
rahefa niditra tao Jerikao, dia namaky ny tanàna.
Ary indro nisy lehilahy anankiray atao hoe i Zake,
lehiben’ny poblikanina sady mpanan-karena,
nitady hahita an’i Jesoa mba hahalala Azy,
fa tsy afaka noho ny habetsahan’ny olona, satria fohy izy.
Koa nihazakazaka nialoha izy,
dia nianika amontana anankiray hitazana Azy, fa eo no handalovany.
Nony mby teo i Jesoa dia niandrandra ka nahita azy, ary nanao taminy hoe:
“Ry Zake, midina haingana, fa tsy maintsy hiantrano ao aminao Aho anio.”
Dia nidina haingana izy ka nandray Azy tamin-kafaliana.
Ary nony nahita izany ny olona, dia nimonomonona nanao hoe:
“Lasa niditra any an-tranon’ny mpanota Izy.”
Fa i Zake kosa nijoro nanao tamin’ny Tompo hoe:
“Tompoko, indro ny antsasaky ny fananako omeko ny mahantra,
ary raha misy zavatr’olona nalaiko tsy an-drariny
dia honerako inefatra hoatra azy.”
Dia hoy i Jesoa taminy:
“Tonga amin’itý trano itý androany ny famonjena,
satria zanak’i Abrahama koa itý lehilahy itý,
fa ny hitady sy hamonjy ny very no nahatongavan’ny Zanak’Olona.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Fanombohan’ny Boky Fanambarana nosoratan’i Masindahy Joany Apôstôly (Apôk. 1, 1-4 ; 2, 1-5a)
Fanambaràn’i Jesoa Kristy, izay nomen’Andriamanitra azy,
mba hanehoany amin’ireo mpanompony ny zavatra tsy maintsy ho tonga faingana
sy nanirahany anjely hampahalalaina an’i Joany mpanompony;
ka dia io no nanambara ny tenin’Andriamanitra sy ny filazan’i Jesoa Kristy,
araka ny zavatra rehetra hitany.
Sambatra izay mamaky sy ny mihano ny tenin’ity faminaniana ity
ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny fotoana.
Mamangy ny Eglizy fito any Azia izaho, Joany:
ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana,
avy amin’Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy;
avy amin’ny Fanahy fito eo anoloan’ny seza fiandrianana.
Manoratra ho an’ny anjelin’ny Eglizin’i Efezy:
Izao no lazain’Ilay mitana ny kintana fito eo an-tanany ankavanana,
sy mandeha eo afovoan’ny fanaovan-jiro volamena fito:
Fantatro ny asanao sy ny fikelezanao aina ary ny fandeferanao,
mbamin’ny tsy fahazakanao ny ratsy fanahy;
fantatro fa nozahanao toetra ireo manao azy ho apôstôly nefa tsy izy,
ka hitanao fa mpandainga ireny;
ary manana fandeferana ianao, ka niaritra noho ny anarako, ary tsy ketraka.
Saingy izao no aniniako anao: nihemotra tamin’ny fitiavana voalohany ianao.
Koa tsarovinao izay nihemoranao, dia mibebaha,
ka miverena amin’ny asanao voalohany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 1, 1-2. 3. 4 sy 6
Endrey ny hasambaran’ny olona
tsy manaraka ny hevitry ny ratsy fanahy,
tsy mandeha amin’ny lalan’ny mpanota
na monina amin’ny fonenan’ny mpaneso;
fa ny Lalàn’ny Tompo no sitrany;
ny Lalàny no saininy andro aman’alina!
Toy ny hazo maniry amoron-drano velona izy:
mamokatra ara-potoana,
tsy malazo ravina;
izay rehetra ataony, mahomby avokoa!
Tsy mba toy ny ratsy fanahy:
fa mova tsy akofa paohin-drivotra!
Fa ny lalan’ny olo-marina, fantatry ny Tompo;
ny lalan’ny mpanota kosa, mamery!
Aleloia. Aleloia.
Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny Lalànao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 18, 35-43)
Tamin’izany andro izany, nony mby tao akaikin’i Jerikao i Jesoa,
dia nisy jamba anankiray nipetraka nangataka teo amoron-dalana.
Ary nony nandre ny vahoaka nandalo izy, dia nanontany hoe:
“Inona izany?”
Ka nilazana fa i Jesoa avy any Nazareta no nandalo.
Dia niantso izy nanao hoe:
“Ry Jesoa Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko.”
Noraran’izay teo aloha izy mba hangina,
fa vao mainka niantso mafimafy kokoa nanao hoe:
“Ry Zanak’i Davida ô, mamindra fo amiko e!”
Dia nijanona i Jesoa, ka nasainy hoentina mankeo aminy izy.
Ary nony tonga teo akaikiny dia nanontaniany hoe:
“Inona no tianao hataoko aminao?”
Ary hoy izy:
“Mba hahiratra aho, Tompoko.”
Dia hoy i Jesoa taminy:
“Mahiràta, ny finoanao no nahavonjy anao.”
Niaraka tamin’izay, dia nahiratra izy ka nanaraka Azy sy nankalaza an’Andriamanitra.
Ary ny vahoaka rehetra nahita izany koa nidera an’Andriamanitra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco