♦ Andraikitry ny rehetra ny manaja ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana hoy ny ministra tompon'andraikitra Andrianavalona Heriso. Hovoriana ny mpisehatra amin'ny fifamoivoizana eto Madagasikara ka hoampiarina ny lalàna, hosaziana ireo tsy manara-dalàna... ♦ Namaha olana amin'ny fananan'asa teto Madagasikara ny fisian'ny sampam-pianarana manofana ho injenieran'ny harena ankibon'ny tany eny amin'ny sekoly ambony Pôliteknika eny Vontovorona... ♦ Manohy ny fifampiresahana amin'ny mponina voakasiky ny tetik'asa ny tompon'andraikitra eo anivon'ny PAAEP, ho fahazoana rano fisotro madio...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 19 ôktôbra 2026

• Tontosa ny alakamisy 15 ôktôbra 2026 tany amin'ny Diosezin'Ambositra, ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny Taom-pianarana 2026-2027 eo anivon'ny Sekoly Katolika manerana an'i Madagasikara... • Hotontosaina ny 8 nôvambra 2026 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Mariusz Kasperski, Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... • Nisaotra ireo mpino nivavaka ho azy tamin'ny fandidiana azy ny Ray masina, nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...