Ny Spoken Word dia efa nisy taloha ela be tany amin'ny taon-jato faha-XIV, tany Italie, ary nivoatra sy niely eran-tany. Zava-kanto vita amin'ny teny, miainga amin'ny soratra anefa tsy natao hovakiana loatra fa natao holaizaina, tononina am-bava, laroina fihetsika sy mozika raha ilaina. Maro ny tera-tany Malagasy no miangaly azy ity. Tany ivelany dia nentina nanoherana ny tsy rariny mihatraika mivantana amin'ny maha-olona ity "spoken Word" ity. Ny Spoken Word dia mahitsy amin'ny fanehoana voambolana...

Hatrany ampihandohana dia efa voadidy hiasa isika olombelona, ka amin'ny alalan'ny fanaovana ny tsara sy ny asa araka ny tokony ho izy no handavorariana ny tena. Ireo fitsipika tokony hifehy ny asan'ny olombelona : memetraka fa ny hasarobidin'ny asa dia miankina amin'ny fanatsaràna ny maha-olombelona manontolo fa tsy amin'ny famokarana ara-nofo fotsiny... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny asan'ny olombelona eo amin'izao tontolo izao" iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.

• Tsy hita taratra ny fitsitsiana ny volam-bahoaka nodradradraina. Fandaniam-bola fahatany no nataon'ny fitondrana tany amin'ny hetsika tany Toliara, hoy ny antoko VAMI, androany... • Naneho ny ahiahy amin'ny fisian'ireo olona voasambotra noho ny fanehoan-kevitra mitaky fanovana, ny Sendikan'ny Mpampianatra Mpikaroka, Sampana Antananarivo. Namoaka fanambarana momba izany izy ireo... • Nahazo fanampiana ara-tsakafo milanja 5.000 taonina avy amin'ny Amerikana i Madagasikara. Hamonjy aina sy hanampy olona hatrany amin'ny 3 hetsy any amin'ny faritra atsimon'ny nosy izany...

♦ Nambaran'ny filohan'ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH fa olana ho an'ny mpanangom-bokatra sy ny tantsaha sasany nindram-bola tany amin'ny Banky ny fidinan'ny vidin'ny vary amin'izao fotoana izao. Tsy ny tantsaha maro an'isa no manana olana momba izany hoy izy... ♦ Tsy misy atahorana ny fielezan'ny andiam-balala any amin'ny Faritra atsimon'ny nosy hoy ny ao amin'ny ministeran'ny fambolena sy ny fahaleovan-tena ara-tsakafo. Voafendraka fanafody avokoa ny roa ampahatelon'ny velaran-tany nisy andiam-balala... ♦ Nahazo chapelle vaovao ny Fonjan'Ambalatavoahangy ao Toamasina...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...