♦ Misosoka ny fahoriana eo amin'ny tontolon'ny asa fanaovan-gazety. Nodimandry omaly i Sitraka Rakotobe... ♦ Hiady ny laharana voalohany ao amin'ny vondrona "B" misy azy ny Ekipam-pirenena Malagasy Ankoay, latsaky ny 18taona, rahampitso ka hifandona amin'i Mali. Resiny 59 no ho 48 i Maroc tamin'ny lalao faharoa nataony omaly... ♦ Nisy omaly ny filan-kevitry ny minisitra ampitain-davitra izy niompana tamin'ny resaka angovo... ♦ Nifamatotra tamin'ny alalan'ny fifanarahana hanamafisana ny fiarovana i Arabia-Saodita sy Pakistan ary Tiorkia...

• Tontosa ny 4 sy 5 aogositra ny fihaonana voalohany nataon'ny SCEAM ho fanomanana ny "Fihaonam-ben'ny Eglizy 2028"... •Tanterahana ao Befandriana Atsimo ny JMJ 7 ao amin'ny Diosezin'i Morombe... •Fanehoana fanantenana ny vavaka hoy ny Papa Léon XIV...

• Mila fitoniana sy filaminana ny firenena, mba hisian'ny fampandrosoana haingana sy maharitra, hoy ny fikambanana ACS, ivondronan'ny Loholona sy ny Filankevitra Ambonin'ny Tetezamita teo aloha... • Natolotra ny Foibe Fikarohana ho an'ny Fampandrosoana eny Ambanivohitra, na ny FOFIFA, ireo masomboly vary nohatsaraina nentin'ny delegasiona malagasy notarihin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, nandritra ny fitsidihana ofisialy tany Egypta... • Misy fahavakisana fantsona lehibe eo Mandroseza, ka miteraka fahatapahan'ny famatsian-drano amin'ny faritra maro eto an-drenivohitra, raha ny fampitam-baovao avy amin'ny JIRAMA...

Efa mahasarika mpanjifa avy any ivelany ny Foara Iraisam-pirenena hoan’ny toekarena eny ambanivohitra eto Madagasikara na ny FIER MADA. Mpanjifa avy atsy Afrika Atsimo, any Belgique ary atsy amin’ny nosy La Reunion no efa nilaza fa ho avy hividy ny vokatry ny tantsaha. Nivoitra izany nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny FIER MADA andiany faha 27 amin’ity taona ity. Hetsika ara-toekarena tanterahana eny amin’ny kianjan’i Makis Andohatapenaka ao Antananarivo Renivohitra nanomboka ny alarobia 06 Aogositra hatramin’ny alahady 09 Aogositra izao...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...