Vao nigadona ny volana avrily dia efa nafana ny toe-draharaha tao Andrenivohitr’i Gasikara. Ambony be ny fanantenana fa hiverina araka ny nampanantenain’ny mpitantana azy ny hasin’Antananarivo amin’ny maha renivohitra azy eo amin’ny lafiny filaminana sy fahadiovana ary fandriam-pahalemana. Telo andro teo no nanomanan’ny ekipan’ny Ben’ny Tanàna ireo mpivarotra amoron-dàlana fa tsy maintsy hirosoana ny famindran-toerana azy ireo mba ahafahana manadio ny toerana, hampalalaka ny làlana ary ny fanatanterahana ny foto-drafitrasa kasain’ny Kaominina ho tanterahina.
07 aprily — I Masindahy Jean-Baptiste de La Salle dia pretra frantsay, nitondra fanavaozana teo amin'ny fomba fampianarana. Nanokana ny fiainany amin'ny fanabeazana ny zaza mahantra izy ary mpanorina ny fikambanana Frères des Écoles Chrétiennes.
Nohariana ny zavatra rehetra na ny lanitra na ny tany. Nirahina tety an-tany ny Zanaka ary, rehefa tontosa ny asa nanirahana ny Zanaka dia nirahin'ny Ray sy ny Zanaka ny Fanahy Masina mba hanamasina ny Eglizy. Ny andro Pantekôty no nidinan'ny Fanahy Masina mba honina ao amin'ny Eglizy sy ao am-pon'ny mpino... Katesizy momba ny Fanahy Masina manamasina ny Eglizy , iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.
7 avrily 2025 — Alatsinainy, Herinandro Fahadimy amin'ny Karemy — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho; satria hatsaram-po no ao amin’ny Tompo, ary fanavotana lehibe — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 8, 12-20)
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco