Tao anatin'ny taona vitsy dia betsaka ireo olona manana olana noho ny tosi-dra, misy ireo mamoy ny ainy misy ihany koa ireo mitondra takaitra. Manomboka amin'ny faha-30 taonan'ny olona dia tokony hanana fahazarana mitsapa ny tosi-dra. Misy ny fepetra ara-pahasalamana tokony harahina manoloana ny fiakaran'ny tosi-dra ; ny fandraisana ny fanafody dia tokony hajaina ny ora sy ny fatra. Ny antony mampiakatra ny tosi-dra : Fiakaran'ny taona, tarazo, be menaka ny ra, tsy fampiasam-batana... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
♦ Loha-laharana amin'ny lentan'ny fanabeazana eto Madagasikara ny mpianatra mivoaka amin'ny sekoly katôlika ka mila tazomina izany, amin'ny fanomezana fiofanana ireo mpampianatra... ♦ Mila vola hatrany amin'ny 300 tapitrisa Dôlara ny fanatanterahana Tondro-zotra ho an'ny jono sy ny toe-karena manga eto Madagasikara... ♦ Manao antso ho an'ny Fanjakàna hametraka pôlitika fanaraha-maso ny fanajàna ny lalàna voavao mifehy ny asa ny sendikan'ny mpiasa FISEMARE. Mila hajaina sy hampiharina izay voalazan'ny fehezan-dalàna hoy izy ireo... ♦ Ady any Gaza : Tsy maintsy manaiky ny fifanarahana hampitsahatra ny ady i Israely sy Hamas...
♦ Tanterahina ny alatsinainy 2 mey izao ny fananganan-tsaina ôfisialy ho fanamarihana ny faha-65 taona nahazoana ny fahaleovantena, hanokatra izany eny amin'ny Parvis an'ny Hotel de ville Analakely ny filoha Malagasy... ♦ Nanana anjara toerana lehibe tamin'ny fampiroboroboana ny sehatry ny fiompiana teto Madagasikara ny Malagasy Professionnels de l'Elevage (MPE), notanterahina omaly ny fankalazana ny faha-30 taona nijoroany... ♦ Raharaha nahafatesan'olona maro tany Ikongo : Ny volana febroary teo no tsikaritra fa niakatra ny tahan'ny olona voan'ny tazomoka tany an-toerana, handrasana hatrany ny vokatry ny fanadihadiana nataon'ny ministeran'ny fahasalamana...
31 mey — Ny famangian'i Maria an'i Elisabeth dia voatantara ao amin'ny Evanjely nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 39-56. Tsaroana etoana ny fahamaizan'i Maria hiakatra ny tananan'i Juda, hitoetra eo akaikin'i Elisabeth zokiny, izany hoe tanana 6 km andrefan'i Jerosalema.
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco