Ny olombelona dia tsy afaka miaina tsy misy fitiavana. Ao amin'ny fitiavana no miorina ny finoana, izay endrik'Andriamanitra ao amin'ny olombelona. Ny fifampiresahana, ny fifanankalozan-kevitra dia fototra mampanjary ny fifanakaikezana am-po ; mila mitandrina ny ray aman-dreny sy ny zanaka fa ny rivotra entin'ny teknôlôjia ankehitriny dia mahavita manozongozona ny fifampitokisana sy ny fifandraisan'ny fianakaviana. Ao anatin'ny teny dia misy hasina, tsara kokoa raha tso-drano am-bava no hafafy toy izay ozona... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Nanamafy ny tale misahana ny seraseran'ny fiadidiana ny Repoblikan'ny Fanavaozana, Harry Laurent Rahajason fa misy mifofo ny ain'ny Filohan'ny Fanavaozana. Nambarany koa fa misy mikasa handoro ny Antenimieram-pirenena amin'ny sabotsy izao... ♦ Miantso ny rehetra ho tony, hanaja ny lamina apetraka mba hizoran'ny fikaonan-doham-pirenena araka ny tokony ho izy ny avy amin'ny Hery-Fiarovana sy ny Filaminana... ♦ Notendren'ny ministeran'ny atitany ho PDS ao amin'ny Kaominina Antananarivo-renivohitra ny Solombavambahoaka ao Tanà-III, Ralambomanana Fenoharisoa, mpikambana amin'ny antoko Tim...
Noho ny fiaraha-monina dia tsy ny tena irery no hosoavina fa tsy maintsy manasoa ny mpiara-belona amin'ny fikatsahana ny soa iombonana. Ny fandraisana anjara no fanoloran-tena tsara indrindra omen'ny tsirairay ny fiaraha-monina : tsy maintsy mandray anjara ny tsirairay araka ny toerana ananany ; amin'ny andraikitrao manokana (fikarakarana sy fanabeazana ny fianakaviana, fanatanterahana tsara ny asa)... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny fifandraisan'ny mpiarabelona" iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.
• Mitohy ny fikasana hifofo ny ain'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika mivady, raha ny nambaran'ny Talen'ny Serasera eo anivon'ny Fanavaozana, tamin'ny mpanao gazety androany... • Manameloka ny fanafihana sy ny fanimbana ny biraon'ny Polisy any Vohémar, ny eo anivon'ny Polism-pirenena Malagasy, raha ny nambaran'ny Tale Jenetaliny androany... • Miara-miasa hampiroborobo ireo orinasa madinika sy salatsalany eto amintsika, ny banky BNI Madagasikara sy ny Fivondronan'ny Mpandraharaha Malagasy. Nosoniavina androany ny fifanarahana mirakitra izany...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco