11 aprily — Ny Stanisals resahana eto dia ilay avy any Pologne, teraka tao Szczepanów ny 26 jolay 1030. Olona ambony sy fanta-bahoaka ny fianakaviana niavian'i Masindahy Stanislas. Nianatra tao Gniezno izy, avy eo dia tany Paris.

Ny Eglizy dia toy ny valan'ondry, foto-boaloboka, trano aorina, lapa soa sns... Tao amin'ny Testamenta Taloha dia fanoharana mazàna no nenti-nanambara an'ilay Fanjakàna ; ohatra notsongaina tao amin'ny fiompiana, na tao amin'ny fambolena na tao amin'ny taotrano, na koa tao amin'ny fianakaviana sy ny fanambadiana ary efa voaomana ao amin'ny bokin'ireo Mpaminany Katesizy momba ny Fanahy Masina manamasina ny Eglizy , iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.

11 avrily 2025 — Zoma, Herinandro Fahadimy amin'ny Karemy — Indro ankehitriny ny fotoana tsara, indro ankehitriny ny androm-pamonjena — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 10, 31-42)

• Tokony hofoanana ny didim-panjakana ahafahana mivarotra tany amin'ny vahiny, hoy ny RMDM. Miantso ireo Solombavam-bahoaka hanafoana izany eny amin'ny Antenimieram-pirenena izy ireo... • Naato vonjy maika ny fampiharana ilay haba 47 % amin'ireo entana ahodrantsinka any Etazonia. Mbola mitohy ny dinika arahan'ny fanjakana sy ireo mpandraharaha, hoy ny Tale Jeneralin'ny Varotra, androany... • Nanao fitokonana ireo mpitatitra amin'ny Bus mampitohy ny Renivohitra sy i Vontovorona androany maraina. Tsy faly amin'ny fandrarana hiasa mialoha ny amin'ny 5 ora maraina izy ireo...

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...