♦ Nandinika ny momba ny raharaham-pirenena sy ny fanadihadiana parlemantera nataon'ny Antenimieram-pirenena ireo solombavambahoaka. Nanatanteraka fivoriana mikaton-trano teny Tsimbazaza izy ireo omaly antoandro... ♦ Distrika isan'ny anjakan'ny valan'aretina MPox ny ao Toamasina-I. Miisa 53 ny tranga voamarina araka ny tatitra nataon'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka omaly talata 11 aogositra... ♦ Maharay fanampiana hatrany hamonjena ny mponina iharan'ny olana ara-tsakafo any amin'ny Faritra atsimon'ny nosy ny BNGRC. Tokantrano maherin'ny 20.000 no hisitraka izany...
♦ Efa manomana ny fanadihadiana parlemantera momba ny fahaverezan'ny 4.000 miliara Ariary teo ho eo, tao amin'ny kitapom-bolam-panjakàna ny Antenimieram-pirenena. Izay no nambaran'ny Filohan'ity andrim-panjakàna ity Siteny Randrianasoloniaiko... ♦ Mamolavola fandaharan'asa hampitomboana ny vokatra kafe eto Madagasikara sy hanatsaràna ny kalitaony ny ao amin'ny ministeran'ny Fambolena sy ny Fahaleovan-tena ara-tsakafo... ♦ Manao fivoriam-be ao Antsirabe nanomboka androany ary haharitra 3 andro ireo mpanao gazety mivondrona ao amin'ny RJSET. Dinihina ny fampahafantarana ny asa vaovao sahanin'ny fikambanana taona 2026-2027...
• Efa manomana ny fanadihadiana parlemantera momba ny fahaverezan'ny 4.000 miliara Ariary teo ho eo tao amin'ny kitapom-bolam-panjakana, ny Antenimieram-pirenena. Izay no nanmbaran'ny filohan'ity andrim-panjakana ity, raha namaly ireo tanora Gen-Z nitsikera azy izy... • Mamolavola tetikasa hampitomboana ny vokatra kafe eto amintsika sy hanatsarana ny kalitaony ny ao amin'ny Minisiteran'ny Fambolena sy ny Fahaleovan-tena ara-tsakafo... • Manao fivoriambe ao Antsirabe nanomboka androany, ary haharitra telo andro, ireo mpanao gazety mivondrona ao amin'ny RJSET. Dinihina ny fampahafantarana ny asa vaovao sahanin'ny fikambanana iraisam-pirenena ho an'ny 2026-2027...
• Nisy omaly ny fihaonana teo amin'ny Filohan'ny Fanavaozana sy ny Filohan'i Tchad, Idriss Deby, anatin'izao fitsidihany an'i Tchad izao... • Nitarin'ny amerikana hatramin'ny taona 2028 ny tetikasa AGOA, anisan'ny isitrahan'i Madagasikara amin'ny lafiny toe-karena. Lany teo anivon'ny Antenimeran-dholona amerikana izany... • Miverina indray ny fanasaziana ny olom-pirenena mandika ny lalana mifehy ny fahadiovana sy tandrom-pahasalana ao an-drenivohitra. Olona maromaro no voasazy teny Besarety, omaly...
• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco