• Hivoaka ny fonja anio Rakotorova Rabetsara na Ralita, rehefa nofonjaina 15 volana. Amin'ny 12 aogositra kosa ny fitsarana an'i Elia Rabevahiny sy ireo namany miisa 5... • Nofaranana omaly teny Ankatso ny fandravonana ireo lohahevitra tsirairay noraisin'ireo Oniversite tsirairay tamin'ilay hetsika “Mois des Universités en Dialogue”. Tanjona tamin'izao hetsika izao ny fanavaozana nasionaly ny fanabeazana sy ny fanatsarana ny rafi-pampianarana, manomboka amin'ny fototra ka hatramin'ny ambaratonga ambony... • Mbola tsy mety hiravona ny olan'ny Ligin'Analamanga eo amin'ny taranja Echecs sy ny Federasiona Malagasy eo amin'io taranja io...

Misongadina ny anjara toeran'i Masina Maria sy ny fiaraha-miaina tamin'ilay teny tonga nofo, tonga ho olombelona. Neken'ny Papa François ny fankalazana isaky ny alatsinainin'ny pentekôty an'i Masina Maria renin'ny Eglizy. I Masina Maria sy ny fanantenana no tena foto-dresaka amin'izao taonjôbily izao. Nifidy hampandray anjara antsika olombelona amin'ny asa-pamonjena Andriamanitra ary isan'izany i Masina Maria... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

• Tapitra androany ny fe-potoana nampiatoan'i Etazonia ny fampiakarana ho 47 % ny haban-tseranan'ireo vokatra miditra any aminy, ka anisan'ny mahakasika an'i Madagasikara. Andrasana na hihatra amintsika io fepetra io na tsia... • Tsy mitombina ny fanambaran'ny Praiministra fa tsy mahafantatra ny fanomezana laharam-pamantarana malagasy ireo fiaramanidina tafiditra any Iran izy sy ny Filoha, hoy ny Profesora Ralison Roger... • Voaporofo fa nisy kolikoly sy fanaparam-pahefana ilay raharaha fitsaram-bahoaka tany Vohibato tamin'ny taona 2023. Natsikafon'ny mpanao gazety “Malina”, ny tao ambadik'iny raharaha iny, tamin'ny horonan-tsary fanadihadiana navoaka androany...

♦ Hiakatra Fitsaràna anio ao Toliara raha tsy misy fiovana ny mpitarika ny Antoko Otrikafo Elia Rabevahiny sy ireo olona 5 hafa niara-voasambotra taminy, efa naovotsotra ireo mpanao gazety roa taorian'ny fanadihadiana natao azy... ♦ Voasoroka avokoa ny olana nahina tamin'ny fanadinam-panjakàna Bakalôrea teknika noho ny fiaraha-mientan'ny mpiasa rehetra hoy ny Ministry ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana arak'asa... ♦ Ministeran'ny angovo sy ny akoran'afo :  Ôfisialy ny fidiran'i Madagasikara anatin'ilay vondrona misehatra amin'ny tontolon'ny angovo azo havaozina (SACREEE)...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...