♦ Hikarakara dinika fakan-kevitra hanomanana ny fifidianana manomboka rahampitso talata voalohan'ny volana septambra hatramin'ny faha-8 septambra izao ny fiadidiana ny fanavaozana ny repoblika... ♦ Handefa taratasy fangatahana fanafoanana sy fangatahana fampiatoana didy fampiatoana azy ireo tamin'ny asany eny amin'ny Fitsarana miady amin'ny Fanjakàna, anio, ireo mpitsara 3 vavy voakasiky ny fampiatoana teo anivon'ny PAC... ♦ Maty voatifitry ny mpitandron'ny filaminana ny faran'ny herinandro teo, ireo efa-dahy voasaringotra tamin'ilay raharaha fanendahan sy fanolanana faobe an'i Haingotiana sy Stéphanie ...
Teraka ihany ambatobevohoka rehefa nihazoazo nandritra ny volana maromaro, ka nahabe resaka teny anivon’ny fiarahamonina sy ireo mpisehatra politika teto amin’ny firenena. Dia hiroso amin’ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena amin’izay izany isika e. Iray volana katroka mialoha ny faha herintaona nitrangan’ny hetsi-bahoaka ka nampirodana ny fitondrana Rajoelina, dia nampahafantatra ireo dingana rehetra hirosoana amin’ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena, nandritra ny fotoam-pivavahana nokarakarainy teny Andohatapenaka ny talata 25 Aogositra teo, ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara.
• Tany amin'ny nosy Sainte Marie ny Filohan'ny Fanavaozana, ny Kolonely Randrianirina Michaël, nanokatra ofisialy ny andiany faha-14 amin'ny lanonana ara-kolontsaina “Festival Tsôlabe”... • Naroso androany zoma 28 aogositra, raha tokony ho isaky ny 31 aogositra, ny fankalazana ny Andro Afrikanina ho an'ny Fitsaboana Nentim-paharazana, ho antsika eto Madagasikara... • Isan'ny lesoka tamin'ny fitantanana ny firenena teto Madagasikara hatramin'izay, ny tsy fananan'ny mpitondra fahaizana sy fahalalana mitantana. Saika tongatonga ho azy, noho ny zava-mitranga teto amin'ny firenena izy ireo, ka tsy manana vina sy paikady fampandrosoana...
• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...
• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco