Tsy inihan'ny zaza na olona iray ny handitsaka am-pandriana. Ny teny mahery atao amin'ny zaza, ankizy na olon-dehibe izay manditsaka am-pandriana dia herisetra, ny tsara indrindra dia ny mamantatra ny mety ho anton'ilay tranga. Ny zaza mbola minono dia in-droa ambiny folo no mivalan-drano (pipi), tokony hisolo taty matetika ny zaza. Manomboka amin'ny faharoa taonan'ny zaza no tokony efa zarina hivalan-drano amin'ny toerana tokony hanaovana azy ny zaza. Ny mety ho antony : tsy fahazarana, fahataran'ny baiko ao amin'ny atidoha, tsy misy fahatsapana... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
♦ Nahitana fiakarany 200 Ariary ny vidin'ny lasantsy. Voatazona kosa ny vidin'ny Gazoala sy ny solika fandrehitra... ♦ Mpiofana iray manana olana ara-pahitana (jamba) no nahazo ny mari-pahaizana "Licence" teo anivon'ny sekoly ambony ESDES... ♦ Maromaro ireo fifaninanana afrikana eo am taranja baolina kitra handraisan' i Madagasikara anjara amin'ity volana septambra ity. Hisantatra izany anio ny CFFA sy ny FC Rouge... ♦ Efa ho efa-bolana izao no tsy hita popoka rehefa nisy naka an-keriny tao an-tranony ny Minisitra maliana teo aloha Mountaga Tall...
♦ Mbola mihenjan-droa ny tady eo amin'ny Sekoly tsy miankina sy ny Ministera mpiahy manoloana ny fikasana hanolo ny sokajy A, C, D ho sokajy S, L, O.S.E amin'izao taom-pianarana hanomboka tsy ho ela izao... ♦ Voafonja miisa 3 no nikasa hitsoaka tao amin'ny Fonjaben'Ambalatavoahangy, Toamasina. Maty voatifitra ny iray, azo sambo-belona ny iray hafa ary mbola ifampitadiavana ny iray ambiny... ♦ Miroso amin'ny andrana hanodinana ny fako ho lasa zezika sy fitaovana hafa mbola azo ampiasaina ny Projet GESDA, tetik'asa fanatsaràna ny fitantanana ny fakon'Antananarivo...
♦ Kasaina ho foanana manomboka amin'ity taom-pianarana vaovao ity ny sokajy A, C, D amin'ny fanadinam-panjakàna Bakalôrea, ka hosoloina manontolo ny sokajy S - L - O.S.E., tsy tokony hirotorotoana ny fampiharana izany hoy ny sekoly tsy miankina... ♦ Miroso amin'ny fanaovana andrana hanodinana ny fako ho lasa zezika sy fitaovana hafa mbola azo ampiasaina ny Projet GESDA, tetik'asa fanatsaràna ny fitantanana ny fakon'Antananarivo... ♦ Hotanterahina ao Morondava - Faritra Menabe ny 14 hatramin'ny 18 septambra ho avy izao ny fankalazana ny lohataona 2026 "Taom-baovao iraisan'ny Malagasy"...
• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco