♦ Tsy mety intsony ny rafitra Fanjakàna Tokana misy amin'izao fotoana izao hoy ny antoko SFDM fa mila hirosoana amin'izay ny Fanjakàna Isam-paritra. Iray ihany ny filoham-pirenena hoy Andriamatoa Beanjara Paul ary ny Governora no mitantana ny Faritra tsirairay... ♦ Mandray anjara amin'ny fihaonambe iraisam-pirenena faha-4 any UNESCO momba ny Etikan'ny Saina Voatran'olombelona ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Haitao Ara-kajy Mirindra, ny Paositra ary ny Fifandraisan-davitra... ♦ Maherin'ny 4.780.000 ny olona voasoratra anarana biômetrika nandritry ny hetsika andiany voalohany...
Toa ny olona sembana ary manana olana eo amin'ny fiainany izay tsy miaina ny fitiavana izay endrik'Andriamanitra ao amin'ny olombelona. Ny fitiavana dia azo adika ho hery anaty. Ny fampitahorana sy fanapepoana no mahatonga ny tsy fahatokisan-tena sy ny tsy fivelarana ; mba ho tena fanabeazana mahomby dia ilay ny teny famporisihana, lavitry ny fampitahana amin'ny hafa. Manampy amin'ny fanehoana fitiavana ny fifampiresahana, fifanankalozan-kevitra ary ny teny famporisihana, indrindra ny fanokanana fotoana ho an'ny ankohonana... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo...
♦ An-jatony ireo tra-boina vokatry ny doro ala ao amin'ny distrikan'Antsiranana-II. Manodidina ny 50 ny trano rava. Nisesisesy ny doro ala tao anatin'io distrika io... ♦ Nomarihana omaly ny andro iraisam-pirenena hiarovana ny sosona ôzôna. Mbola mampiasa ny entona manimba ny sosona mangeja hafanana ny 70% maherin'ny orinasa eto Madagasikara... ♦ Manentana ny olom-pirenena handray anjara amin'ny fanoratana anarana biômetrika amin'izao andiany faharoa izao ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, Rakotonandrasana Velonjara Tiaray. Fisoratana anarana nanomboka omaly hatramin'ny volana jolay 2027...
♦ Ny 70 hatramin'ny 80% amin'ny orinasa eto Madagasikara dia mbola mampiasa ny entona izay manimba ny sosona ôzôna avokoa. Isany fantatra izany nandritry ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho fiarovana ny io sosona io teny Antsakaviro... ♦ Nanamarika ny androm-pirenena ho an'ny fahiziny isika teto Madagasikara androany. Lohahevitra novoizina tamin'ity taona ity : Ny fahiziko, manaraka ahy, na aiza na aiza... ♦ Misy fikambanana sy olona mitonona ho mpanohana ny fitondrana, anefa manenjika ny fikambanana vovonan'ny fihavaozan'i Madagasikara, hoy ny mpikambana ao amin'ny birao nasiônaly...
• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco