• Nampidirina am-ponja atsy amin'ny nosy Maurice andraony maraina, Andriamatoa Mamy Ravatomanga. Voalaza fa nihetsika aretim-po tao anefa izy ny tolakandro teo, ka nahiditra hopitaly indray... • Nahazo vahana ireo mpanao politika, mahatsirao ho voahilika ny avy amin'ny Génération Z, hoy izy ireo androany. Nivoaka tamin'ny fahanginany ireo tanora ireo, manoloana ny toe-draharaha misy eto amin'ny firenena... • Homena hipetrahan'ny mpianatry ny Oniversite manomboka izao, ireo “Building Mora” etsy amin'ny Lac Iarivo Ivato. Mpianatra miisa 700 any ho any no honina amin'ireo fotodrafitrasam-panjakana ireo...

• Efa misokatra ny fisoratana anarana ho an'ireo tanora handray anjara amin'ny JMJ Mada andiany faha-11 hotanterahana any Toamasina amin'ny volana aogositra 2026... • Marolafy ireo lahadinika nandritra ny fivorian'ireo Filohan'ny Oniversitem-panjakana, izay notarihin'ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, ny Profesora Ravonomanantsoa Ndaohialy... • Tsy mankasitraka ary mangataka ny hanafoanana ny “Madagascar Airlines”, ny sendikan'ny mpiasa eo anivon'ny kaompaniam-pitaterana Air Madagascar...

Amin’izao fotoana iainantsika izao dia lasa sehatra lehibe ifandraisana sy ifampizaràna ny tambazotra sosialy, nefa indrisy, lasa toerana isehoan’ny herisetra, indrindra ho an’ny ankizivavy sy tovovay. Maro amin’ireo lasibatra no tsy mahalala ny zon’izy ireo na ny lalàna miaro azy amin’ny herisetra toy izany. Maro ny endrika sy fiantraikan'ny herisetra an-habaka, misy ny lalàna miaro amin'izany eto Madagasikara, ary ny fomba hiarovana ny tena sy ny hafa amin'ny fampiasana tambazotra sosialy am-pahamalinana... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Ny Litorjia eto an-tany dia fandraisana anjara amin'ny fiderana any an-danitra, miaraka amin'ny Anjely sy ny Olomasina. Na mbola miaina amin'izao tontolo izao aza isika olombelona, dia efa mandray anjara amin'ny Litorjia any an-danitra amin'ny alalan'ny fankalazàna ety an-tany. Ny Litorjia dia vavahady manokatra ho amin'ny fiainana mandrakizay... Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...