Tratra ny valan'aretina antsoina hoe Fièvre de la Vallé du Rift na ny FVR ny ondry aman'osy ary ny omby amin'ny faritra telo eto Madagasikara ankehitriny. Aretina azon'ny ondry aman'osy sy ny omby ary mety mifindra amin'ny olombelona amin'ny alalan'ny kaikitry ny moka sy ny fikarakarana ny biby misy trangan'aretina...
♦ Mitohy ny fialantsasatry ny Paka ho an'ny fianarana any amin'ireo Sekoly sy ny Oniversite rehetra manerana ny Nosy. Mitsahatra ny tsena lehibe isan-kerinandro ao an-drenivohitra... ♦ Vonona hifanolo-tanana amin'ny fitondram-panjakàna sy ny vahoaka malagasy tsy ankanavaka handresena ny Coronavirus ny mpikaroka Rafanomezantsoa Zaraniaina Christian. Malagasy mpikaroka nanambara fa nahita ny fanafody anasitranana ny VIH Sida am-polotaonany lasa izay...
Vao eo ampanombohan'ny fiparitahan'ny valanaretina Covid-19 avy atsy Afrika atsimo isika izao. Mifindra haingana sy mahafaty olona kokoa noho ny tamin'ny andiany voalohany izy io. Tokony hiray hina sy hifanohana ny mpiara-belona rehetra isan'ambaratongany sy amin'ny sehatra rehetra satria ny fanajana tanteraka ny fepetra rehetra no antoka tokana handresentsika io fiparitahana io...
Ny fahafantarana ny tenanao no tena antoka voalohany indrindra amin' ny fahatokisana ny tena. (14-04-2021)
♦ Hihemotra amin'ny faha-31 Mey ho avy izao ny fidirana ho an'ny telo volana famaranana anivon'ny oniversite katôlika eto Madagasikara na UCM raha tokony ho ny 19 Avrily izao... ♦ Tsy vahaolana intsony ny mbola hampihatoana ny fampianarana hoy ny talen-ny DINEC. Azo atao tsara ny mampihatra ny fepera ara-pahasalamana ho an'ny sekoly hoy izy... ♦ Mitombo hatrany ny isan'ny tranga vaovao mitndra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara, tafakatra 583 ka ny 445 amin'ireo teto amin'ny faritra Analamanga avokoa...
Sarotra ny miresaka finoana amin’izao fotoana izao ao an-tokatrano ao. Samy manana ny fomba fijeriny sy ny fanabeazana azony ny Ray aman-dreny an-daniny, sy ny zanaka nateraka an-kilany. Na dia mianatra any amin’ny sekolim-pinoana katolika aza ny zanaka dia tsy mandeha ho azy ny fiainana ny finoana sy ny fifampizaràna ao an-tokatrano ao. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin’i P. Randriamanamahenina Robert Maria
Misy voka-dratsiny amin’ny fianam-panahin’ny tanora ankehitriny ny fanatontoloana ary misy fiantraikany any amin’ny fiainan-tokatrano izany. Marina fa tsy ratsy avokoa ny vokany, raha tsy hilaza afa-tsy ny fivoaran’ny teknolojian’ny fifandraisana, izay hahafahan’ny olona mifandray avy hatrany. Ny tsy fahaizana mampiasa ny teknolojia avo lenta anefa dia miteraka olana ara-piaraha-monina, toy ny fiolonolonana sy ny kolo-tsain’ny fanjifana. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin’i P. Randriamanamahenina Robert Maria
Manindraindra ny fiainana mirenty ny fanatontoloana ary manaitra avy hatrany. Tsy mila ezahana akory ny miaina azy fa tafiditra ho azy ao anaty, ary iny no lasa lalam-piainana sy fanompoan-tsampy mihitsy aza ka miteraka korontana eo amin’ny fiainam-pianakaviana. Tsy misy intsony ny firaisan-tsaina fa samy maka ho azy. Manjavona tsikelikely ny fifankatiavan’ny mpianakavy ao an-tokatrano satria miriorio amin’ny fifandraisan-davitra amin’ny any ivelany. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin’i P. Randriamanamahenina Robert Maria
Tsy mety mandray ravin-deno sy manao raharaha intsony ny zanaka fa variana ao amin’iny fitaovana kely safosafoina sy pendipendena tontolon’ny andro iny. Lasa miteraka hamaivanan-doha eo amin’ny zanaka matetika satria tsy miditra intsony mihitsy ny anatra sy ny fanabeazana omen azy mivantana. Ary tsy vitan’izany fa ny fanekena ny ray aman-dreny dia raisina ho didiko fe lehibe sisa.
Adidy lehibe miandry ny mpitondra Fiangonana ny pastoraly momba ny fianakaviana eo amin’ny sehatra maro samihafa, mba tena hananan’ny fianakaviana isan’isany izany finoana velona tokony hijoroany izany. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin’i P. Randriamanamahenina Robert Maria
Rehefa tsy hiainana moa ny finoana dia kristianina sarisary ny fianakaviana iray. Ary rehefa toy izany dia manao fitaovana ny fivavahana ho fiarovan-tena sy ampiasaina amin’ny ara-politika. Ny tena ratsy dia lasa fieren-jiolahy mihitsy ny Fiangonana, izany hoe mody mivavaka mba hanafenana ny asa ratsy rehetra natao. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin’i P. Randriamanamahenina Robert Maria
Tsy azo tsapain-tanana, ary tsy ren’ny fandrenesana ny finoana. Resaka ara-panahy ny finoana ka mila aseho amin’ny fiainana sy asa eto ivelany, araka ny voalazan’i Md Jakoba, mba hijoroana ho vavolombelona fa kristianina marina sy mahitsy ny olona iray. Katesizy momba ny fianakaviana, miaraka amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco