Alatsinainy 16 nôvambra 2020 — Herinandro faha-33 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 18, 25-43 — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny Lalànao.
♦Baolina kitra, hihaona any côte d'Ivoire, anio, ny Barean'i Madagasikara sy ny Elefantan'i Côte d'Ivoire, Vonona handresy ny ivoriana any amin'y taniny ny mpilalao malagasy... ♦ Nangataka ny ministeran'ny toekarena sy ny fitantanam-bola hanampy ny teti-bola iasan'izy ireo ny antenimieram-pirenena... ♦ Nihaona voalohany nandritra ny 45 minitra omaly ny filoha Allassan Ouatara sy ny mpitarika ny mpanohitra Henri Konan Bédier...
Mirongatra ny doro tanety sy ny doro ala amin'ny faritra maro eto amintsika, misy fiatraikany ratsy raha tsy hiteny afatsy ny fahaloton'ny rivotra. Ny taona 2018 sy ny 2019 no tena nirongatra ny doro tanety sy doro ala fa tamin'ity taona 2020 ity dia nihena ireo famaizana. Politika nasiônaly: fanabeazana sy fametrahana lalàna...
♦ Tsy ampy 7.000.000.000 Ariary ny teti-bola iasan'ny antenimieram-pirenena amin'ity taona2020 ity... ♦ Naneho ny hatezerany noho ny tsy fisian'ny rano amin'ny paompy ny mponina teny amin'ny fokontany Ambatolampy Antehiroka androany maraina... ♦ Nitranganà asa fampihorohorona tao amin'ny "cimétière"-n'i Djeddah any Arabie Saoudite, androany...
Alahady 15 nôvambra 2020 — Alahady faha-33 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 25, 14-30 — Miambena ary mivavaha mandrakariva mba ho mendrika hitsangana hiseho eo anatrehan’ny Zanak’Olona ianareo.
Victoire Rasoamanarivo no maneho indrindra ny anjara toeran'ny laika ao amin'ny Fiangonana katolika eto Madagasikara. Nentiny nanompoana ny mpiara-monina ny aim-panahy azony tamin'ny finoana sy ny vavaka.
♦ Mikasa ny hamory vahoaka any Vakinankaratra ireo parlemantera TIM sy HVM ary ny vondrona Panorama amin'ny sabotsy ho avy izao... ♦ Hiverina hisokatra sy hiasa ao anatin'ny ainga vao, mialohan'ny faran'ity taona 2020 ity ny zotra an-dalamby FCE, mampitohy an'i Fianarantsoa sy Manakara... ♦ Mijoro manohtra ny fakàna ankeriny sy ny fanerena ny ankizivavy hivadim-pinoana sy hanambady, ny eglizy any Pakistan...
11 nôvambra — Teraka ny taona 316 tao Pannonie, tananan'i Sabaria, izany hoe Szombathely ao Hongrie amin'izao fotoana izao, i Martin. Avy ao Pavie, Italie avaratra ny rainy. Miaramila manamboninahitra tao am'ny tafiky ny empire romanina io rainy io. Ary tsy mahagaga ny anarany raha nataon'ny rainy hoe Martin, izay midika hoe manaja an'i Mars, andriamanitry ny ady ho an'ny romanina.
Sabotsy 14 nôvambra 2020 — Herinandro faha-32 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 18, 1-8 — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo; ary tsara fo amin’ny asany rehetra.
♦ Nitombo ny tranganà fanodikodinam-bolam-panjakana tamin'ny taona 2019 raha ampitahaina tamin'ny taona 2018 hoy ny teo anivon'ny Bianco... ♦ Ny hanamafisana ny fizahantany anatiny no isan'ny antony sy tanjona kendrena amin'ilay hetsika "tsenaben'ny fizahantany", karakarain'ny ministeran'ny fizahantany... ♦ Namoy ny ainy tany Turquie teo amin'ny faha-72 taonany ny alin'ny alatsinainy hifoha omaly talata ihany koa ny filoha Maliana teo aloha Amadou Toumani Touré...
Zoma 13 nôvambra 2020 — Herinandro faha-32 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 17, 26-37 — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fa amin’ny asany rehetra.
♦ Nitombo ny fanodikodinana ny volam-panjakàna tamin'ny departemanta samihafa tamin'ny taona 2019 na dia hita taratra aza ny finiavan'ny fahefana mpanatanteraka hiady amin'ny kolikoly... ♦ Niakatra fampanoavana androany momba ny raharaha nitorian'ny ben'ny tanànan'Antananarivo renivohitra azy i Clémence Raharinirina... ♦ Lavon'ny Coronavirus teo amin'ny faha-65 taonany ny sekretera jeneralin'ny OLP Fikambanana ho fanafahana an'i Palestine...
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco