Manjaka ny fahapotehan'ny ala ao amin'ny tandavan'alan'Angavo, noho ny fanaovana tavy sy doro ala ka hanairan'ny mpiaro ny tontolo iainana ireo tompon'andraikitra handray fepetra. Tandindomin-doza ny famokarana manoloana izany hoy Andriamatoa Rakotondrazaka Jean de Dieu, filohan'ny fikambanana FIKITAMA, FIkambanana KIadin'ny TAntsaha Mangoro. Miharitra mantsy ny renirano manondraka ny famokarana.

Tamingan'ala sisa no tavela ao amin'io faritr'ala io hoy Andriamatoa Rakotondrazaka Jean de Dieu, mpisehatra amin'ny fiaraovana ny tontolo iainana. Ny tandavan'alan'Angavo no hany ala voajanahary ao amin'ny Faritra iraisan'i Faritra Analamanga sy Mangoro ao amin'ny distrika Moramanga...

Ho avy indray ny main-tany ka misy amin'ireo tantsaha no mivelona amin'ny tevy. Tsy manao aro afo nefa izy ireo rehefa manao izay tevy ala izay ka lasa mihitatra mandoro ny ala rehetra mbola maniry. Atahorana hatrany ny mbola hitaran'ny fahapotehana manoloana izany.

Manampy trotraka ankohatr'izay ny tsy fahampian'ny orana. Mandalo fahasahiranana ny renirano manondraka ny fambolen'ny tantsaha dia reniranon'i Sandranety hoy ny filohan'ny FIKITAMA. Renirano efa miharitra ihany koa noho ny fahapotehan'ny ala misy ny loharano ipoirany.

Manaitra ny mpitondra fanjakàna hijery akaiky ny asa fampandrosoana any amin'ireo Kaominina ambanivohitra lavitra andriana ihany koa, ny mpitarika ny FIKITAMA. Manan-jo hisitraka ny fampandrosoana mantsy ny tantsaha any amin'ireny toerana ireny hoy Andriamatoa Rakotondrazaka Jean de Dieu, ary tokony hitohy koa ny fitantanan-draharaham-panjakàna. Misy mantsy ny tetik'asa efa vita no tokony efa hamafisina indray ankehitriny.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...