Alakamisy 29 avrily 2021 — Herinandro fahefatra fankalazana ny Paka — Nahita Ahy ianao ka nino; fa sambatra izay tsy nahita ka mino — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 13, 16-20

Alarobia 28 aprily 2021 — Herinandro fahefatra fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, sady nitondra antsika amin’ny mazava: isika izay navotany tamin’ny Rany — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 12, 44-50

♦ Andrasana hivoaka anio ny fanambarana ôfisialy, tohin'ilay fanapahan-kevitra omaly, nanekena ny hamerenana ireo fandaharana sy ady hevitra pôlitika amin'ny haino aman-jery maromaro, eto Antananarivo... ♦ Mbola nisy sidina avy any ivelany tonga ihany, tetsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato, nitondra mpandeha 280 avy any Frantsa. Miteraka resabe amin'izao ny fisina'izy ity, tao aorian'ny nanambarana fa mijanona ny sidina iraisam-pirenena...

Herintaona mahery no niatrehantsika ny valan'aretina nateraky ny Coronavirus. Nampisy fiovana teo amin'ny toe-tsaina sy ny fomba amam-panao ny fihanak'ity valan'aretina ity. Fiovana mankany amin'ny fandrosoana ve ? Sa mitondra fihemorana kosa ?

♦ Nihemotra tamin'ny fanapahan-kevitra noraisiny ireo Minisitera dimy, tamin'ilay fampiatoana fandaharana sy ady hevitra pôlitika amin'ny haino aman-jery vitsivitsy eto Antananarivo. Efa nisy omaly, fitoriana mifandraika amin'izany tafapetraka eny amin'ny Filankevi-panjakana... ♦ Olona enina indray no matin'ny Coronavirus, mbola nahitana tranga vaovao 299 ihany koa ny fitiliana natao tamin'ny alahady lasa teo...

♦ Manoloana ilay fanapahana nampiatoana andiam-pandaharana amin'ny haino aman-jery maromaro, dia samy nametraka fitoriana teny amin'ny Filankevi-panjakana androany, na ny mpisolovava ireo haino aman-jery voakasika, na ireo fiaraha-monim-pirenenana, na ny Filohan'ny Holafitry ny mpanao gazety amin'ny anaran'ny OJM... ♦ Vonona hanome tanana amin'ny ady amin'ny valan'aretina Covid-19 ireo ray aman-dreny am-panahy avy amin'ny Fiangonana maro eto amintsika ka hankahery sy hitondra am-bavaka ireo marary any amin'ny CTC, hôpitaly sy ireo toerana samihafa handraisana marary...

Talata 27 avrily 2021 — Herinandro fahefatra fankalazana ny Paka — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo, fantatro izy ary manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 10, 22-30

♦ Manao ranolava ny fanambarana avy amin'ny fikambanana samihafa sy ny antoko pôlitika, tsy mankasitraka ny fanapahan-kevitry ny fanjakana, nampiato ireo fandaharana amin'ny haino aman-jery tsy miankina eto an-drenivohitra. Manameloka ny fanapahan-kevitra ny antoko HVM... ♦ Voahosihosy ny fahafahan'ny olom-pirenena maneho hevitra sy ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety amin'izao zava-misy izao, hoy ny SEFAFI. Miantso ny fitondrana, handinika indray ny fanapahan-kevitra izy ireo...

♦ Nankahery ny vahoaka Malagasy tsy an-kanavaka, sy ny mpitondra, amin'izao fiatrehana ny valan'aretina Covid izao, ireo Filoham-piangonana ao amin'ny FFKM. Nanipy teny ho an'ny mpitondra isan'ambaratongany avy, na sivily na miaramila, mba tsy ho latsaka ao anatin'ny fanararaotam-pahefana... ♦ Tsy mankasitraka ny fanapahan-kevitra nampiatoana ireo fandaharana fanehoan-kevitra, ho an'ny haino aman-jery tsy miankina eto an-drenivohitra, ny fiaraha-monim-pirenena sy ny holafitry ny mpanao gazety...

Alatsinainy 26 avrily 2021 — Herinandro fahefatra fankalazana ny Paka — Raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra no katsaho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 10, 1-10

Alahady 25 avrily 2021 — Alahady fahefatra fankalazana ny Paka — I Jesoa Mpiandry ondry tsara — Izaho no Mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo, sady mahalala ny ondriko Aho no fantany koa — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 10, 11-18

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Raha nahafantatra Ahy ianareo dia ho nahafantatra ny Raiko koa; hatramin’izao, dia mahafantatra Azy ianareo, sady efa nahita Azy." Dia hoy i Filipo taminy: "Asehoy anay ny Ray, Tompoko dia ampy ho anay izany." Fa hoy i Jesoa taminy: "Izay ela izay no nitoerako teto aminareo ka tsy mbola fantatrareo ihany ve Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy, dia nahita ny Ray koa; ka ahoana no anaovanao hoe: Asehoy anay ny Ray? Tsy mino ve ianao fa Izaho ao amin’ny Ray ary ny Ray ato amiko? Ny teny izay lazaiko aminareo dia tsy avy amiko; fa ny Ray izay mitoetra ato amiko no manao ny asa. Minoa ny teniko fa Izaho ao amin’ny Ray ary ny Ray ato amiko; na fara fahakeliny minoa ahay noho ny asa ihany. Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mino Ahy, dia hanao ny asa ataoko koa, ary hanao mihoatra noho izany aza izy, satria mankany amin’ny Ray Aho, ka izay rehetra hangatahinareo amin’ny Ray amin’ny Anarako dia hotanterahiko avokoa, mba hahazoan’ny Ray voninahitra eo amin’ny Zanaka. Raha mangataka zavatra amiko amin’ny Anarako ianareo, dia hotanterahiko izany."

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...