Nandray anjara tamin'ny fanatanterahana ny sitrapon'Andriamanitra amin'ny fanavotana ny olombelona i Md Jozefa. Nanaraka an-tsakany sy andavany izay nolazain'Andriamanitra azy izy tamin'ny fanohanana an'i Maria amin'ny fanabeazana an'i Jesoa.

Tena Ray izy ary afaka mangataka amin'Andriamanitra ho antsika, mba hahafahantsika miatrika ireo olana eo amin'ny fiainantsika andavanandro. Fandaharana momba ny hatsaram-panahin'i Md Jozefa, miaraka amin'i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, Eveka mpanampy, Arsidiosezin'Antananarivo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...