18 ôktôbra — Tamin'ny taonjato voalohany i Luc no niaina, Syrien izy ary teraka tao Antioche. Misy milaza fa mpanompo sampy i Luc, nefa ny tahirin-kevitra sasany milaza fa nanaraka ny fombam-pivavahana jody izy. Mpitsabo no asany, fa nana-talenta tamin'ny hoso-doko ihany koa.
17 ôktôbra — Mpadimby an'i Masindahy Pierre tao aorian'i Évode tamin'ny fitantanana ny Fiangonana tany Antioche, tokony ho tamin'ny taona 70 tany ho any i Masindahy Ignace resahana izao. Raha hiverenana kely ny tantara dia nandositra nankany Antioche ireo kristianina tao Jerosalema, rehefa nafana ny fanenjehana tamin'izany fotoana izany.
16 ôktôbra — I Edwige de Silésie dia teraka tao Andechs tao Bavière ny 1174. I Edwige no anarany fa ny tany Pologne no niantso azy hoe Jadwiga Śląska. Zanak'i Berthold III, comte tao Andechs sady duc tao Méranie izy. I Agnès de Wettin no anaran'ny renin'i Edwige.
Talata 20 ôktôbra 2020 — Herinandro faha-29 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 12, 35-38 — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako.
Alatsinainy 19 ôktôbra 2020 — Herinandro faha-29 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 12, 13-21 — Araikao amin’ny fanambarànao ny foko, ry Tompo, ary ny lalànao no aoka hanenika ahy.
Alahady 18 ôktôbra 2020 — Alahady faha-29 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 22, 15-21 — Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo ; izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana.
Ny famintinana ireo fiteny dimy ho fomba fanehoam-pitiavana mba haharitra. (14-10-2020)
15 ôktôbra — Teresa Sánchez de Cepeda Dávila y Ahumada no tena anaran'i Thérèse d'Ávila. Teraka tao Espagne ny 28 marsa 1515 izy, fahatelo amin'ny ankizy roa ambin'ny folo mianadahy. Ny fahatanorany dia nolaniany tamin'ny vavaka sy ny fiarahana tamin'ireo mpiray tampo aminy marobe ireo. Marani-tsaina i Thérèse fa tovovavy somary jejojejo izay izy.
14 ôktôbra — Niaina tany amin'ny taonjato fahatelo tany i Calixte na Calliste ary martiry. Kristianina izy, fa andevo babo, ary nasain'ny tompony nitantana banky iray. Tsy nahay nitantana izy ka lasa bankirompitra izany banky izany ary nohelohina izy ho any amin'ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany, tany Sardaigne.
Fanomanana ny tanora amin'ny fanambadiana. Fampahatsiahivana ireo antanan-tohatra mankamin'ny fahamatorana. Fampitana ny fomba fiorenan'ny fitiavana eo amin'ny lehilahy sy vehivavy. Fampahafantarana ireo singa mamelona ny faharetan'ny fitiavan'ny mpivady.
13 ôktôbra — I Alexandrina de Balazar na Alexandrina Maria da Costa no tena anarany, dia teraka ny 30 marsa 1904 tao amin'ny toerana antsoina hoe Gresufes, tao amin'ny tanana kelin'i Balazar, distrikan'i Porto tao amin'ny arsidiôsezin'i Braga ao Portugal. Alarobia masina tamin'izay ary ny sabotsy masina tao aorian'io izy no natao batemy, izany hoe ny 02 aprily 1904.
Sabotsy 17 ôktôbra 2020 — Herinandro faha-28 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 12, 8-12 — Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo.
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco